Hanomboka anio ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena, hotanterahana ny 24 jolay ho avy izao.
Andro vitsivitsy mialoha izao no nisafidy namory ireo mpanao politika ny CENI-T ka nandritra izany no nanambaran-dRamatoa Atallah Béatrice fa raha sanatria ka tsy vita amin’ity taona ity ny fifidianana, dia tsy hahazo famatsiam-bola i Madagasikara hatramin’ny 2020. Efa nanambara an’io ihany ny filohan’ny CENI-T nandritra ny fampiofanana mpanao gazety tany Mahajanga ny 29 janoary ka hatramin’ny 01 febroary lasa teo. Tsy vazivazy izy io fa tena mitombina raha araka ny fanazavany, satria tsy handany andro hiandry olona tsy mahay mifandamina ny sehatra iraisam-pirenena fa mba manana ny zavatra mahamaika sy manahirana azy koa. Koa raha izay tokoa no fandehany dia mila mandini-tena haingana ny rehetra voakasik’izao krizy izao ary mifanaiky ny amin’ny lalana tokony haleha. Samy miteny ny an-daniny sy ny an-kilany fa hoe samy efa tena nandefitra.
Matoa mikatso anefa ny raharaha dia tsy mbola ampy izany ny fifandeferana sy ny fiaraha-miasa, tsy hoe napetraka ny fiaraha-mitantana dia izay no izy, na hoe samy tsy kandida Atoa isany Rajoelina sy Ravalomanana dia mivaha ny krizy fa misy lafin-javatra marobe tsy maintsy dinihina sy hitadiavam-bahaolana. Ny Malagasy mihitsy, raha araka ny fijery azy no tokony handini-tena ny amin’ny zavatra tiany hatao sy tiany hahatongavana, fa toa ambakain’ny Afrikanina sy ny vazaha mena sofina eto fotsiny isika. Mafy, henjana, nampivarahontsana izany fanavakavaham-bolokoditra tany Afrika Atsimo izany, fa afaka nifampiresaka sy nifamela ihany, eny fa na dia mbola misy ihany aza ny holatra sy ny zavatra tsy hay kosehana. Ka nahoana moa no tsy hahavita hifandamina ny samy Malagasy fa hifandramatra sy hifampialona foana ? Nahoana no mbola misy Malagasy manaiky ataon’ny mpanjanatany fitaovana, hanambaka sy hanapotika ny Malagasy mitovy aminy, ihany ? Azo atao foana ny fifidianana. Tsy izay akory ny tanjona farany fa ny hoe milamina ny tany, misinda ny ahiahy, tony ny rehetra ka afaka miasa miaraka, miatrika ny fanarenana ny firenena.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.