Politique

Exopoles SFDR Miaro mafy ny fitondrana FAT mba hahazoan-tseza


  • Talata 29 Novambra 2011

Eo anatrehan’ny toe-draharaha politika misavorovoro eto amin’ny Firenena amin’izao fotoana izao, dia maneho ny heviny ny Exopoles-SFDR (Signataire de la Feuille de Route) izay tarihin’Atoa Raboniarisoa Pascal.

 Manameloka tanteraka izay fihetsika rehetra mety manakantsakana ny fampiharana sy fanantanterahana ny Tondrozotra izy ireo. Mankasitraka kosa ry zareo ary manohana ny ezaka rehetra izay efa natao ary mbola hataon’ny fitondrana tetezamita izay tarihin’Atoa Andry Nirina Rajoelina ny amin’ny fikatsahana hatrany vahaolana mba ivoahan’ny Firenena amin ‘izao krizy izao. Efa tena latsaka an-katerena mantsy ny vahoaka tsy mandandy harona. Mbola nohamafisin-dry zareo fa ny tsy fitoviam-pijery no anisan’ny antony tsy ankasitrahan-dry zareo intsony ny fitantanan’Atoa Rasamizafy Cyril, ankoatra ny fomba fitantanana tsy misy mangarahara izay nitondrany izany Vondrona izany. Mpanorina ny Exopoles ihany koa izy ireo tany am-boalohany.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT