Politique

Exopoles notarihan-dRasamizafy Cyril Nanao rodorodo teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo


  • Alarobia 16 Novambra 2011

Tonga nasiaka, araka ny fitenin-jatovo ankehitrio, teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo omaly tolakandro ary nanao rodorodo nameno fiara fitaterana 18 be izao ry zareo mpikambana ao amin’ny Exopoles notarihan'Atoa Rasamizafy Cyril.

 Anisan'ny hita niaraka tamin-dry zareo nanamaro isa tao koa ireo mpitarika ny mpianatra eny amin'ny oniversite toa an’i Mamy Jo. Tsy nanambara izay tena anton-diany ho ao amin'ny praiminisitra Omer Beriziky ry zareo fa ny heno fotsiny dia mbola hiverina izy ireo mba hifampidinika amin'ny Praiminisitra. Heno teo anivon'ny Primatiora mantsy fa efa tsy nandray ireo antoko na fikambanana intsony ny eny an-toerana. Raha ny hampiditra ny lisitra ho minisitra aloha no eritreretina dia mety ho any amin'ny faha-90 any no toerana misy ny an’ny Exoploles. Araka ny loharanom- baovao ihany dia efa nanomboka ny Zoma teo dia efa nifarana ny fandraisana ireo lisitra hatao ho minisitra. Omaly talata anefa dia mbola nisy ihany ireo tonga ka nieritreritra ny mbola hanolotra ny lisitra avy amin’izy ireo.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT