Politique

Exopoles Mitaky ny hamitana sonia amin’ny 17 septambra


  • Alarobia 07 Septambra 2011


 Tsy fantatra na hitsapatsapa ny halalin’ny rano na koa hitondra soso-kevitra hafa na hanao inona indray no hahatongavan’ny Troïka eto, araka ny nambaran’ny mpikambana ao amin’ny Exopoles, tarihin-dRasamizafy Cyril. Ampy ho antsika, hoy izy ireo izay fotoana lava niainana tao anatin’ny krizy izay, ka tokony hotanterahana farafahatarany ny 17 septambra ny sonian’ny sori-dalana. Raisinay ho tompon’antoka ny olona nampiova hevitra ny filohan’ny FAT, izay nihaona taminy an-tsokosoko teny Iavoloha ny alatsinainy 05 septambra maraina raha tsy tanteraka io sonia io, hoy Rasamizafy Cyril. Masina ary sarobidy amin’izy ireo mantsy ny zavatra rehetra tapaka nandritra ny fampihaonan’ny Raiamandreny Mijoro teny Ivato farany teo. Anisan’ny nanolotra soso-kevitra ihany koa ny Exopoles raha toa tsy mahomby ny dian’ny Troïka eto, dia ny tokony hiavahan’izay manaiky ny tetezamita tarihin’i Andry Rajoelina sy ireo izay manao fitan-droa. Eo ihany koa ny tokony hananan’ity filohan’ny FAT ity ny heviny mikasika ny toe-draharaha ankehitriny fa tsy hivadibadi-dela lava.

Nanakiana mafy ireo CT sy CST tsy tonga mivory nefa mandray karama ity mpitarika ny Exopoles ity, ary nilaza fa tokony harahi-maso ny lisitr’ireo izay tonga mamonjy fivoriana, tapahana sy esorina mihitsy ireo izay tsy manatrika izany satria mitsentsitra ny volam-bahoaka fotsiny.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT