Politique

Evariste Ramanantsoavina “Tsy anjaranay ny mamaly faty izay nanagadra anay


  • Alatsinainy 06 Mey 2013

Nitsingerina omaly alahady 5 mey ny nanaovan’ny fitondrana FAT sarika am-pandriana ny namana mpanao gazetin’ny Radio Mada fahiny, Evariste Ramanantsoavina.

 Efa be no voalaza na ny teto an-toerana na tamin’ireo mpanao gazety vahiny tonga nanao fanadihadiana an’iny toe-draharaha nampitroatra ny ankamaroan’ny mpanao gazety Malagasy iny, hoy i Evariste Ramanantsoavina ka tsy dia ilaina horirotina intsony fa efa voarakitra ho tantara tsy ho azo kosehina maneran-tany iny trangan-javatra iny na dia mampalahelo kely aza fa misy ireo minia mandiso ny tantara marina amin’izao mbola fahaveloman’ny tena niharam-boina izao. Tsy hitsara ireo namana ireo ny tenako, hoy i Evariste, fa azy sy ny feon’ny fieritreretany izany raha mbola vonona hanohy ity asa fitadiavana ny marina eto amin’ny tany ity izy.

Tsy anjaranay koa, hoy ihany izy, ny mamaly faty izay nanagadra anay fa lalàna natoraly ny fivalian’ny fanamelohana olon-tsy meloka amin’izay nanao izany. Efa nisaoranay am-pahibemaso teny an-kianja andro vitsy monja taorian’ny nivoahanay ny fonja izy ireo. Aminay, hoy ny namana Evariste Ramanantsoavina, ny fampihavanana marina dia ny famerenana amin’ny laoniny ny asa famelomanay vady aman-janaka fa efa ao anaty rànay hatrany amin’ny razambe io ka tsy avelanay raha tsy fotsy angola.

 

Samy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT