Politique

Etika sy deontolojia Tsy raharahan’ny mpanao politika, hoy ny DFP


  • Talata 19 Desambra 2017

Vitsy amin’ny mpanao politika no mandraharaha izany atao hoe etika sy deantolojia izany, hoy ny avy eo anivon’ny vovonana politika Dinika fanavotam-pirenena na DFP,

tarihin’ny filohany Tolojanahary Maharavo na Doudou, raha naneho hevitra mikasika ny fahitany ny fandraisan’anjaran’ireo mpanao politika tamin’ny fihaonana nokarakarain’ny firenena mikambana tamin’ny alalan’ny PNUD momba ny fifidianana sy ny fihetsika tokony hananan’ireo mpanao politika sy antoko politika tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina farany teo. 23 amin’ny antoko 118, hoy izy, no tonga nanohina ny antso. Efa nikarakara hetsika ho an’ny fiarahamonim-pirenena toy iny koa, hoy i Doudou, ny rafitra alemanina FES vao tsy ela izay fa vitsy koa ny nanohina ny antso. Tsy mahagaga, hoy ny DFP, raha tsy tahotra sy henatra no izao ireo depiote sy loholona no mandrebireby ny saim-bahoaka amina resaka ady hevitra momban’ny lalàm-panorenana aty amin’ny fiafaran’ny fivoriana aty taorian’ny niadian-kevitra momban’ny lalàm-pifidianana. Fa taiza ireo tamin’ny volana may? Efa ho variana amin’ny fety izao ny olona dia tsy handrahara fijerena ny anarany anaty lisi-pifidianana intsony dia ho vitsy ny mpifidy dia handresy indray ny HVM. Famitaham-bahoaka ihany no ataon’ireo depiote sy loholona, raha ny fanehoan-kevitry ny DFP, satria raha vao tafakatra 60% fotsiny ny tahan’ireo mpifidy fa tsy 40% toy ny tamin’ny fihodinana faharoa tamin’ny taona 2013 dia efa ho sahirana ny HVM. Ny fanabeazana ny mpifidy izao no tokony ho laharam-pahamehana, hoy izy ireo. Ho an-dry zareo avy eo anivon’ny antoko Marina, tarihin’ny filohany Désiré Ranaivoson, moa dia ny fisian’ny fiantsoana nataon’ny CENI na ny vaomiera misahana ny fifidianana teny Alarobia tamin’io andro io ihany koa no voalaza ho tsy nahafahan’izy ireo nanatrika ilay teny amin’ny Colbert. Raha ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny Ceni indray dia efa fanaon’ity rafitra ity ny manao io antsoina hoe “Cadre de concertation” isam-bolana io ary raha ny tokony ho izy dia manana solontena azo nalefa tany amin’ny fivoriana andaniny sy ankilany ireo antoko.


J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT