Politique

Etazonia Tokony avela haneho hevitra an-kalalahana ny olona


  • Alakamisy 19 Janoary 2012

Manoloana ny zava-nitranga teny Ambohijatovo ny talata 17 janoary lasa teo dia namoaka fanambarana momba ny maha zava-dehibe ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra sy fivoriana, omaly, ny masoivoho Amerikanina eto amintsika.

 Voalaza ao anatin’ilay fanambarana fa tena manahiran-tsaina an’i Etazonia tokoa ny herisetra nampiasain’ireo manampahefana sy ny mpitandro ny filaminana miara-dia amin’izy ireo ho fandravana ny fihetsiketsehana politika (ndlr : teny Ambohijatovo). Ny tondrozotra sy ny fifanarahana iraisam-pirenena anefa dia manindrahindra ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra ara-politika, ho zo fototra ananan’ny olom-pirenena tsy an-kanavaka, hoy ihany ity fanambarana ity. Nampatsiahy tamin’ny alalan’ity taratasy ity ny Amerikanina, fa efa nisy tranga mampalahelo tahaka iny, teny Ambohijatovo iny tamin’ny taon-dasa, nomarihan’izy ireo sy nisintonany ny sain’ny manampahefana eto.

Mampanahy ny mbola fisian’ny tahotra, ny fandrahonana ary ny herisetra eto, hoy ihany ny fanambarana, ary hita fa toa vao miha miavosa hatrany ny olana ateraky ny disadisa politika. Farany dia niantso ny ankolafy politika rehetra tsy an-kanavaka, tamin’ny alalan’ity fanambarana ity ny avy ao amin’ny masoivoho Amerikanina eto amintsika mba hahay hanaja hatrany ny zon’olombelona, anisan’izany ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra sy ny fahalalahan’ny fivoriana, izay arovan’ny lalàna manankery eto Madagasikara sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Efa hatramin’ny 2009 no nanakiana mafy ny fomba niakaran’i Andry Rajoelina teo amin’ny fitondrana ny Amerikanina, tsy nankasitraka sy nanameloka ihany koa ireo fisamborana sy fanagadrana olona taorian’izay, ary nampivandravandra fa misy ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona eto Madagasikara hatramin’ny nisian’ny FAT. Araka izany dia hentitra ny Amerikanina fa tsy hiaraka hiasa amin’ny fanjakana manosihosy ny zon’olombelona sy tsy manaiky ny fampiharana ny tena demokrasia.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT