Politique

Etazonia Nampitandrina nivantana an’i Andry Rajoelina


  • Alatsinainy 11 Febroary 2013

Miteraka resabe ny zavatra nolazain’i Andry Rajoelina tao amin’ny fahitalavi-pirenena ny zoma lasa teo.

 Anisan’ny nanaitra ny maro tamin’ny noteneniny ny momba ny fifidianana izay azo adika fa nandiso fanantenana azy tanteraka ny fihetsiky ny CeniT sy ny vondrona iraisam-pirenena satria sady nahemotra ny fifidianana ary ny fifidianana izay ho filoham-pirenena no haroso mialoha. Raha ny teniny dia karazan’ny namaky ady indray tamin’ny CeniT sy ny vondrona iraisam-pirenena i Andry Rajoelina. Manoloana izany dia manana ny heviny ny Amerikanina. «Fanosihosena ny andininy faha-10 ao amin’ny sori-dalana ny fikasana rehetra hanova ny fanapahan-kevitra efa tapaky ny CeniT sy ny Firenena Mikambana», araka ny fahitan’i Etazonia azy.

Nahitsy ny tenin’ny ambasadaoron’i Etazonia eto amintsika, Atoa Eric Wong, nilazany fa tsy anjaran’ny mpanao politika no hibaiko ny CeniT amin’izay fomba fotoana heveriny fa mahamety ny fifidianana. Nohitsian’ny masoivoho amerikanina tao amin’ny Facebook ihany koa fa tokony hampitsahatra ny fihetsika rehetra mety hanohintohina ny fahaleovantenan’ny CeniT sy ny asa teknika sahaniny i Andry Rajoelina. Araka izany dia karazan’ny vao mainka nandrehitra afo sy nampitsangam-bolo ny Amerikanina ny tenin’ny filohan’ny FAT ka nahatonga ny bekintana hentitra sy nanitsy avy hatrany. Tsy azo ekena mantsy, hoy ihany ryy zareo Etazonia ny hiverenan’ny tranga niseho tamin’ny taona 2010, nisiana fifidianana fitsapan-kevi-bahoaka kanefa tsy nisy firenena na iray aza nankato izany.

Nangonin’i Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT