Politique

Etazonia Hajao ny sori-dalana !


  • Alarobia 01 Aogositra 2012

Mikasika ny fikasan-dRtoa Lalao Ravalomanana hody eto Madagasikara dia namoaka fanambarana ny masoivoho amerikanina.

 Fanambarana izay mifototra indrindra amin’ny antso avo ho an’ny rehetra mba hanaja ny andraikitra tandrify azy araka ny voalazan’ny lalàna iraisam-pirenena, indrindra ny mahakasika ny zon’olombelona sy ny fanjakana tan-dalàna. Nambaran’i Etazonia ihany koa fa ao anatin’ny tondrozotran’ny SADC ny hoe “mody tsy misy fepetra ireo mialokaloka any ivelany”. Manoloana izany dia tokony hataon’ny mpitondra ara-politika eto amin’ny firenena izay hizorana mankany amin’ny fifidianana malalaka, ara-drariny ary eken’ny fianakaviana iraisam-pirenena mba hamerenana ny fitondrana demokratika eto Madagasikara, hoy ilay fanambarana. Nohamafisin’ny be kintana fa manohana hatrany ny ezaka rehetra ataon’ny SADC amin’ny fijoroana ho mpanelanelana amin’ny fitadiavana vahaolana amin’ny krizy politika eto Madagasikara izy ireo.

Nangonin’i Soa

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT