Politique

Etat Islamique Efa eto Antananarivo ?


  • Sabotsy 02 Jolay 2016

Nanokana pejy momba ny ahiahy amin’ny firoboroboan’ny Silamo mahery fihetsika eto Madagasikara ny gazety boky Jeune Afrique nivoaka omaly zoma 1 jolay, araka ny hita tao amin’ny tranonkalany

 

http://www.jeuneafrique.com/mag/336847/politique/madagascar-menace-jihadiste-prise-serieux/.

Avy any Torkia

Voatantara ao fa nisy ny fihaonana teo amin’ny sampana mpanangom-baovao Frantsay sy Amerikanina ny tapaky ny volana jona teo, ary nivoitra nandritra ny fifampidinihana ny mampitombina ny ahiahy ny amin’ny fidiran’ny fomba fisainana Silamo mahery fihetsika eto Madagasikara, indrindra fa any amin’ny faritra avaratry ny nosy, izany hoe Antsiranana. Voaresaka mihitsy aza, hoy ny Jeune Afrique ny mety efa fisiana tobim-pamaharan’ny Jihadista eto Madagasikara. Manohy ny fitantarany ny gazety ary nilaza fa tena mampiahiahy be ny efa fidiran’ny olon’ny Daesh na Etat Islamique eto Antananarivo, olona izay voatondro fa mampiasa taratasy hosoka ary niainga avy any Istanbul – Torkia. Efa misy rahateo moa ny sidina mivantana Istanbul-Antananarivo amin’ny alalan’ny Turkish Airlines. Ity gazety Jeune Afrique ity ihany, araka ny fanadihadiana nataony no mitatitra fa misy ireo sambo mampiahiahy tonga any amin’ny faritra avaratra andrefan’i Madagasikara, tsy fantatra hoe hanao inona marina. Tsy ampy moa ny fanaraha-maso ny morontsiraka eto Madagasikara, hany ka tena mora ny miditra sy mivoaka eto tsy misy mahita. Tsaroana eto ny nahitana teratany Tanzanianina roalahy tany Tolagnaro ny 15 jona lasa teo. Tsy fantatra mazava ny fomba nahatongavan’izy ireo tany an-toerana hatramin’izao. Milaza ity gazety ity fa solombavambahoaka iray miampy mpandraharaha mpanefoefo Karana iray ary teratany Kaomorianina iray no tompon’antoka amin’ny fitsirihana ireo Malagasy mety ho lasa Jihadista ka omena fiofanana manokana.

Manaratsy endrika

Ankoatr’izay dia tondro iray mety azo hanaporofoana io fisian’ny Silamo Mahery fihetsika eto io ny firoborobon’ny fiorenana « Mosquées Wahhabites », indrindra fa ny any Mahajanga, ary tena mitombo isa be tato ho ato izay ireo vehivavy misaron-damba tanteraka any an-toerana, tahaka ny any amin’ireo firenena mampihatra ny Charia na ny lalàna islamika. Efa miparitaka manerantany izao resaka izao ary tena manaratsy endrika an’i Madagasikara 4 volana mialoha ny fivorian’ny Frankôfônia. Izay angamba  no mahatonga ny Frantsay milaza fa vonona hanampy antsika amin’ny fametrahana ny fitoniana sy ny filaminana, araka ny tenin’ny masoivohony miasa eto. Noho izany, tsy ny fotodrafitrasa na ny vola no olana amin’ny mety tsy hanatanterahana ny fihaonana an-tampon’ny Frankôfonia eto Antananarivo fa ity ahiahy amin’ny fisian’ny olon’ny Etat Islamique efa maka toerana tsimoramora ity. Efa ao anatin’ireo firenena namakian’izy ireo ady mantsy i Frantsa sy izay rehetra misy ny tombontsoany sy ny kolontsainy.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT