Politique

Esoavelomandroso Manassé Milaza ho tsy misy ilana ny tondrozotra intsony


  • Alatsinainy 05 Septambra 2011


 Nitondra ny heviny momba ny raharaham-pirenena i Esoavelomandroso Manassé, Sekretera jeneralin’ny antoko Leader Fanilo rehefa tsy naharenesam-peo nandritra ny fotoana maharitra. Manoloana ny fanambaran’i Andry Rajoelina fa hosoniavina tsy iandrasana ny SADC ny tondrozotra nasiam-panitsiana dia nanambara ny tenany fa tsy misy ilana ilay tondrozotra intsony. “Niarahana tamin’ny SADC ny famolavolana iny tondrozotra iny ka rehefa tsy iarahana aminy intsony dia tsy misy tokony hanasoniavana azy akory”, hoy i Esoavelomandroso Manassé niteny amin’ny anarany manokana.

Araka izany dia ny lalàmpanorenana lany tamin’ny 17 novambra 2010 no tokony hitondrana ny tany sy ny firenena araka ny nambarany hatrany ka izay fifanarahana rehetra natao na teto an-toerana na tany ivelany dia tsy misy manan-kery avokoa. Nohamafisiny fa misy fepetra tetezamita ao anatin’ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4. Nandritra ny fandraisany ireo tanora miofana ho mpanao politika avy amin’ny firehana samihafa izay maka traikefa amin’ireo filohan’antoko no nanaovan’ i Esoavelomandroso Manassé io fanambarana io ny sabotsy teo.

 

Yves

 

Sary : Esoavelomandroso Manassé, Sekretera Jeneralin’ny antoko Leader Fanilo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT