Eric Randrianasolondrabe

> Filoham-pirenena SADC sy Parlemantera SADC no lany eo


  • Sabotsy 24 Aogositra 2013


Raha hiresaka ny amin’ny lisitr’ireo kandidà ho filoham-pirenena navoakan’ny CES 2 sy ny datim-pifidianana navoakan’ny CENI-T isika, hoy ny CT Randrianasolondrabe Eric mpandrindra ny Ankolafy Ravalomanana any Antsohihy, dia tsotra ny dikany ho anay avy any amin’iny Faritra Sofia iny : angady tsy mahatapak’ahitra iry voalohany fa tsy ny tena filan’ny firenena no ambony taminy fa ny baikon’ny mpanao politika sy ny iraisam-pirenena. Tanterahana ny tondrozotra ahafahana manatanteraka fifidianana eken’ny rehetra. Ny zava-misy anefa dia misy ny fandikan-dalàna ataon’ny CES  ka tsy fifidianana hoeken’ny rehetra izany io kasaina hatao io. Raha azo nosoloina fanindroany ity CES ity dia mbola azo soloina fanintelony koa izany hivoahan’ny tena eken’ny rehetra. Ho an’ny CENI-T indray dia mbola azon’izy ireo atao ny mamoaka tetiandro fanindiminy indray noho izany. Izahay Ankolafy Ravalomanana any Antsohihy, hoy ny CT Randrianasolondrabe Eric dia tsy hipetra-potsiny manoloana ny fahatsapana fa dia miditra loatra amin’ny raharahan’ny Malagasy ny sehatra iraisam-pirenena, tsy mpanelanelana tsotra ry zaeo fa tena mpanome baiko. Noho izany dia filoham-pirenen’ny SADC sy parlemantera SADC no hofidiana eo, ka hanao izay faran’ny herinay izahay ankolafy Ravalomanana mba hananganana rafitra eken’ny rehetra ka ho tanteraka ny fifidianana marina sy madio.

 

Ntsoavina Evariste  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT