Politique

Eric Rakotomanga -AKFM “Mivaona ny fanaovana politika eto Madagasikara”


  • Alarobia 20 Martsa 2019

Efa iaraha mahita eo amin`ny tantaran` i Madagasikara fa maro ireo antoko no miforona eto amintsika. Efa im-betsaka ny AKFM no naneho hevitra mahakasika ny fanaovana politika, hoy Eric Rakotomanga.

 


Malahelo izahay antoko politika tranainy mahita ny fomba fanaovana politika amin` izao fotoana, hoy hatrany ny fanazavana. Na ny lalàna aza mametra fa ny antoko politika dia vondron` olona manana foto-kevitra, manana tetim-piarahamonina, ary manana fandaminana ka ao anatin`ny fitsipika, ny foiben-toerana, ny fananana sampana. Izany no atao hoe antoko politika saingy mifanohitra amin` izany amin` izao fotoana, hoy Eric Rakotomanga. Porofon` izany, hoy ity mpanao politika ity, ny fahamaroan` ny antoko mitsangana etsy sy eroa izay mihaotra ny 200 ka midika izany fa manana foto-kevitra 200 mahery.  Raha jerena, ny mpanao politika manokana dia tsy tonga amin` izay fenitra izay. Fahadisoana bevava amin` ny atao hoe andraikitra tokony hotazonin` ny antoko politika iray, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT