Mikendry mafy ny hahatongavany eo amin’ny sezan’ny praiminisitra ny mpandraharaha Eric Rajaonary, filoha mpanorina ny orinasa Guanomad.
Tsy misy olana mihitsy izany amin’ny maha olom-pirenena azy. Tsy dia mety anefa ny hametrahana mpandraharaha eo amin’ny toeran’ny lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Tsy maintsy hiteraka fifangaroana andraikitra sy fanapahan-kevitra izany ary amin’ny maha olombelona tsotra izao. Mety hiteraka fanomezana tombontsoa manokana ireo mpandraharaha mpiara-dia aminy ary fahavoazana kosa ho an’ny mpandraharaha hafa. Tokony hijanona amin’ny toerana maha mpandraharaha azy izy. Aleo ho an’ny mpanao politika ny toerana politika !
Marina fa mety mahafantatra ny zava-misy iainan’ny mpandraharaha eto amintsika ny tenany amin’ny maha filohan’ny FIVMPAMA azy kanefa tsy midika velively izany fa ny fanendrena azy ho praiminisitra no vahaolana. Ny mifanohitra amin’izay aza no mety hitranga satria tsy maintsy ho avy ny kiantranoantrano sy ny kinamanamana. Tsy hiadian-kevitra intsony anefa ny tsy maintsy hanoloana ny praiminisitra Jean Ravelonarivo noho izao tsy fahombiazany izao kanefa tsy tokony ho mpandraharaha mihitsy kosa no handray sy hanankinana io andraikitra goavana io.
Tokony hahatsapa tena ny mpandraharaha malagasy fa poizina ho an’ny tenany sy ny tanindrazana ny fampifangaroana ny raharaha politika amin’ny asa aman-draharaha fa tsy atosiky ny fitiavan-tena manokana na faniriana te hahazo izao rehetra izao. Mazava ho azy ary tsy misy afaka ny hanohitra izao manaraka izao fa ny fampiroboroboana ny orinasany no tsy maintsy isan’ny laharam-pahamehana ho an’ity mpandraharaha ity raha izy tenany no tonga eo amin’izany lehiben’ny governemanta izany. Tsy misy maharatsy ny manitatra na mampiroboro orinasa mba ahafahana mamorona asa ho an’ny tanora, saingy tsy eo amin’ny toeran’ny praiminisitra kosa no hanaovana azy. Ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina moa no tompon’ny teny farany amin’ny fanendreny praiminisitra, izay tokony hataony haingana ary ao anatin’ny fohy, mba hijerena lalana sy fomba fiasa vaovao, ialana amin’izao zava-misy iainan’ny vahoaka izao.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.