Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy 21 mey 2016 nanomboka tamin’ny mitataovovonana ny «AAA-MAGRO» Behoririka.
Nitokana ny fiverenan’ny orinasa «Malagasy Grossiste» eo amin’ny tsenan’ny fifaninanana ny ben’ny tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana sy ny filoha mpanorina ny vondrona orinasa Tiko Marc Ravalomanana. Natomboka tamin’ny fanompoam-pivavahana fiderana an’Andriamanitra ny lanonana izay kolontsaina mahazatra ny Tiko Group hatramin’ny niforonany ny taona 1980. Tarigetra nijoroan’ny orinasa hatramin’izay nisiany ary mbola nohamafisin’ny filoha tale jeneraly tamin’io fotoana io moa ny «hanasoa ny namana sy ny mpiara-belona» voasoratra ao anatin’ny hira fanevan’ny orinasa.
Fifanarahana manokana
Mpiara-miombon’antoka amin’ny vondrona orinasa Tiko nampiverina ny Magro Behoririka sy ireo hafa hihodina tsy ho ela ny «AAA». Misy ny fifanarahana manokana eo amin’ny roa tonta ka tafiditra ao anatin’izany ny fanafarana entana, ny fanodinam-bokatra, indrindra ny lafiny ara-barotra. Hifantoka bebe kokoa eo amin’ny sehatry ny fivarotana ny «AAA-MAGRO» eo am-panombohana ny asa, araka ny fanazavana teny an-toerana. Manantena fiaraha-miasa amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina amin’izao fiverenany eo amin’ny tontolon’ny fandraharahana izao indray moa ny Tiko Group.
Mahavita zavatra ny Malagasy
Fotoana izao hibanjinana ny hoavy amin’izay fa tsy ho variana amin’ny lasa intsony, hoy ny filoha mpanorina ny orinasa Tiko Ravalomanana Marc. «Mahavita zavatra isika Malagasy rehefa mipetraka ny firaisankina miaraka amin’ny finoana mitondra fanantenana», araka ny nambarany. Entana voalohany vokarin’ny orinasa «Tena Izy Ka Omeko» hita tao amin’ny Magro Behoririka ny faran’ny herinandro teo ny dibera «Marna Gold» 250 grama. Nifandrombahan’ireo olona marobe tonga teny an-toerana avy hatrany moa ity vokatra «Vita Malagasy» naroson’ny Tiko ho an’ny mpanjifa eto Madagasikara ity amin’ny vidiny 5.000 ariary. Nanamafy ireo olona tonga teny Behoririka ny sabotsy teo fa efa miandry fatatra ny vokatra manaraka ka ho avy hanao rodorodo hanjifa ny vita Malagasy.Ireo efa nanandrana ihany koa dia nanamafy fa hafa ihany ny dibera vitan’ny Tiko, miandry ny ranom-boankazo sy ny yaourt ary ny
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.