Politique

Endrika ivelany fotsiny


  • Alarobia 04 Aprily 2012

Manomboka indray ny sangodim-panina eo amin’ny tontolon’ny fitsarana.

 Nivoaka aloha ny trakta manaratsy ny filohan’ny SMM Marius Auguste Arnaud. Nilaza koa ity farany fa misy ny dosie momba ny minisitry ny fitsarana sy ireo fitsabahana amin’ny famoahana didy nataony. Izao indray dia misy ny fitsanganana sendikan’ny mpitsara vaovao. Midika izany fa misy zavatra tsy milamina eo amin’ireo samy lohandohan’ny mpisorona amin’ity fitsarana eto amintsika ity. Somary takon’ilay raharaha nampifanolana ny mpitsara tamin’ny polisy izy io. Natao ny fikaonan-doha dia ireny niaraha-nahita ireny ny fanomezan-toky avy amin’ny mpitsara, fa hoe hiasa araka ny lalàna, hijery ny rariny sy ny hitsiny, tsy hanavakavaka ary tsy handray baiko avy any ambony intsony amin’ny fanadihadiana atao na ny famoahana didy.

Tena fihetsiketsehana ivelany fotsiny izany ireny rehetra ireny, mba nanaromana ny tsy mety rehetra, fa raha ny tena marina dia misy aretina mikiky avy ao anatiny ny fitsarana Malagasy, ary tena misy ny fifandrafiana sy fifanenjehana ary fifampialonana eo amin’ny samy mpitsara. Vantany vao vita ilay fifidianana izay ho filohan’ny sendikan’ny mpitsara ka nahalany indray an’i Marius Auguste Arnaud dia nanomboka niakatra ny maripana. Nivoaka ny trakta niparitaka teny Anosy teny. Niverina indray ny fifampihantsiana eo amin’ny filohan’ny SMM sy ny minisitry ny fitsarana.

Toa misy koa ireo andiana mpitsara milaza fa tsy tena miaro sy mitaky ny zon’ny mpitsara akory ny SMM izay tafiditra be loatra amin’ny resaka politika, ka izay no antony tsy maintsy hananganana sendika hafa. Sehatr’asa iray, manana sendikan’ny miasa roa, midika avy hatrany tsy fisian’ny marimaritra iraisana sy hevitra tsy mitovy na mifanipaka mihitsy izany. Mbola marary izany ny fitsarana ary tena sarotra tsaboina tahaka ny krizy mahazo ny firenena ny aretina mikiky azy. Ireo manan-draharaha amin’ny fitsarana ihany koa hatramin’izao dia milaza fa mbola manjaka ao ny tsolotra sy ny kolikoly ka ny jiolahy mahazo fahafahana, ny olona madio voaheloka sy ampidirina am-ponja. Mampanahy ihany, arak’izany, ny ho fampiharana ilay famotsoran-keloka, ho avy eo rehefa voafidin’ny Parlemanta ilay izy, satria mazava izao ny resaka fa tsy mahaleotena ny fitsarana eto, mbola misy ny teny midina, ary mahazo vahana ny fifampiandaniana. Tafiditra any anatin’ny fitsarana ilay resaka ankolafy ka izay no mahasarotra ny famahana ny olana. Mety hanahirana ihany ny ho tohin’ny raharaha eto amin’ity firenena ity, raha toa ka miady an-trano ny mpitsara.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT