Politique

Emmanuel Rakotovahiny Manahy ny amin’ny fanatanterahana ny sori-dalana


  • Talata 20 Septambra 2011


 Firenena no noheverina tamin’ny fanasoniavana iny sori-dalana iny ka tsy mety raha ny Ankolafin’ny filoha Zafy Albert no hanakana ny tsy hahavitan’izany, hoy ny Dr Rakotovahiny Emmanuel mpitarika ny delegasion’ny ankolafy Zafy Albert. «Miahiahy aho anefa ny amin’ny fanatanterahana ilay sori-dalana. Raha manana finiavana politika anefa ny tsirairay dia tafarina io. Misy tokoa ve izay finiavana politika izay ?”. Mbola ny praiminisitra teo aloha, Dr Rakotovahiny Emmanuel ihany no nametraka izay ahiahy sy fanontaniana izay manoloana ny fahavitan’ny sonian’ny tondrozotra ny sabotsy 17 septambra teo. Araka ny fanazavany ihany dia efa nisy ny sonia natao toy izay vita tany Maputo saingy nolavina, ary dia izao isika tsy mety tafavoaka izao. Heverin’ity mpanao politika ity àry fa anisan’ny andrasana manomboka eto ny fananana hery politika samy manana fanetren-tena. Eo koa anefa ny fahavononan’ny rehetra amin’ny fitadiavana izay fomba hahatafavoaka ny fampiharana ilay sori-dalana niarahana nanao sonia.

 

Nangonin’i Soa

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT