Politique

Emima Randrianarisetra Mangataka fitoniana


  • Alarobia 09 Mey 2012

«Ilana fitoniana tanteraka ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana, ka mangataka amin’ny rehetra ny tenako ny mba hisian’izay amin’izao lalan-tsarotra lalovan’ny firenena izao».

 Io no nambaran’Atoa Emima Randrianarisetra, mpitarika ny antoko TGV ao Antsirabe I, manoloana ny gidragidra miseho lany etsy sy eroa. Nohamafisiny fa ny rehetra mihitsy no tokony hametraka ny fitoniana fa tsy misy idiran’ny ankolafy izany satria ny vahoaka no mizaka ny vokany amin’izao fotoana ka lasa krizy miampy krizy hatrany no iainany. Nambarany ihany koa fa ilaina ny fampiharana ara-bakiteny ny tondrozotra mba hifaranan’izao krizy izao. Tompon’andraikitra feno amin’izany ireo rehetra nanao sonia izany ka tsy hifanilihana fampiharana azy raha tiana ny hifaranan’ny krizy eto Madagasikara.

Araka izany dia tokony hitohy amin’ny resaka fifidianana ny fampiharana io tondrozotra io ka n’inona inona fifidianana hatao dia tokony ho hisy izany mialoha ny faran’ny taona. Noraisiny ohatra moa ny fifidianana farany nataon’ny Frantsay izay tokony hakana lesona eo amin’ny fifandimbiasam-pahefana tena demokratika. Notsipihiny fa anisan’ny olan’ny mpanao politika malagasy ny tsy fahaizana mifandefitra ka mampitarazoka ny raharaham-pirenena toy izao fa ny fitiavan-tena sy valifaty no tena mibaiko ny rehetra. Raha izao no mitohy dia ho potika tanteraka ny firenena ka hotsarain’ny taranaka mifandimby ireo mpitondra ireo any aoriana, hoy izy.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT