Politique

Emilien Ramboasalamana Nijery ifotony ny olan’Anosipatrana Atsinanana


  • Alakamisy 11 Aprily 2019

Nidina ifotony nijery sy namaha ny olan’ny mponina ao amin’ny fokontany Anosipatrana Atsinanana, ny kandida laharana faha-4 ao amin’ny boriborintany faha-4, Emilien Ramboasalama.

 

 

 

 

 

Tamin’izany no nanolorany takamoa maromaro entina hanoloana ireo efa simba na koa tsy misy eny amin’ny andrin-jiro, hamahana ny olan’ny haizina miteraka tsy fandriampahalemana eny an-toerana. Hojerena akaiky ihany koa ny fanatsarana ny lalankely, anaovana asa tanamaro ny fanadiovana ny lakan-drano sasany, hasiam-panatsarana ny toeram-pilalaovana tsipy kanetibe ao afovoan-tanàna, ho fialambolin’ny tanora sy ny mponina eny an-toerana. Nohamaivanina ihany koa ny fahazoan’ireo mpanasa lamba mampiasa rano ao anatin’ny roa andro, havondrona izy ireo mba hahafahana manampy azy. Fanombohana ihany izao natao izao raha ny nambaran’ny kandida laharana faha-4 atolotry ny Tiako i Madagasikara, TIM. K25 fa efa fisantarana sahady ny asa amin’ny fisoloantena ny vahoaka ao amin’ity Boriborintany ity.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT