Politique

Emile Ratefinanahary Ny fifampiresahantsika samy Malagasy no vahaolana


  • Alakamisy 26 Janoary 2012

Mbola mihodinkodina lava tsy misy fiafarana eto isika mianakavy raha tsy mandray fanapahan-kevitra ny hiresaka an-kitsim-po tsy misy fiandaniana amin-dRanona na i Ranona, hoy ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita, Emile Ratefinanahary.

 Efa hatrany amin’ny krizin’ny taona 72 nandalo ny 75 sy 1991, ny taona 2002 ary hatraty amin’ity krizy ity, hoy izy ny fototra ka tsy mety voavaha mihitsy mandrak’ity ny androany. Noraisiny ohatra tamin’izany ny krizin’ny mpianatra eny amin’ny Oniversite izay niainga tamin’ny fitakiana ny rano madio ho an’ny mpianatra ho dokotera tetsy Befelatanana tamin’ny taona 1972 ary mbola miverina ankehitriny indray eny Ankatso eny ny resaka rano. Io no tena fototry ny krizy tsy ahitana fanafana foana. Ny eny rahateo ankehitriny, hoy izy, efa tena saro-bahana satria efa tsy ampy vola hoentina hamonoana ny afo intsony ny fitondrana tetezamita ary ry zareo rahateo efa tsy to teny eo amin’ny mpianatra intsony noho ny zava-misy miseho lany ankehitriny asehoany. Ho ahy Ratefinanahary Emile na Vazaha manokana, hoy izy, dia tsy misy afa-tsy ny fifampiresahantsika Malagasy samy Malagasy tsy misy fombana an’iza na iza no hany vahaolana hivoahana amin’izao krizy izao.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT