Tsy nitsitsy fitenenana ny ben’ny tanànan’i Toamasina Elysée Ratsiraka vao nahazo nandray teny nandritra ny fivoriana nampanantsoin’ireo mpanolotsaina azy omaly tao amin’ny lapan’ny tanàna. Izaho dia olom-boafidy,
tsy izaho mihitsy no hobaikonareo amin’ny asako sy ny ataoko ary izay sonia tiako atao”, hoy izy. Tezitra koa ireo mpanolotsaina ka namely bontana, ary namerina nampianatra azy ny lalàna mifehy ny kaominina sy ny olom-boafidy mitantana ao anatiny. Samy olom-boafidy isika ary ny didim-panjakana 2014-020 no samy mametraka antsika eto anivon’ny kaominina, hoy izy ireo. Tena voafahan-dalitry ny mpanolotsaina manokanao ianao, ka mitandrema fa ianareo ihany tamin’ny fotoan’androny no nanao io lalàna io”. Namaly ihany ny ben’ny tanàna, ka sahy niteny fa “ny ahy rehefa TSIA dia tsy hivadika ho ENY izany intsony koa alefaso eo izany PDS-nareo izany fa eo isika mahita azy”. An-kilan’ireo fifamaliana ireo dia nivoaka ihany koa ny kolikoly fanaon’ireo mpanatanteraka amin’ny fandraisana mpiasa, izay andoavana 500.000 ariary isaky ny olona, nefa io mpiasa maro be eo anivon’ny kaominina io no olana hatramin’izay nahatonga ny vola tsy maharaka amin’ny karaman’ny mpiasa, ka miteraka fitokonana lava sy mbola misy hatramin’izao io. Efa misy mpiasa 250 eo izao no nampidirina eo anivon’ny kaominina tamin’ny alalan’io fomba io araka ny fantatra.
Mbola hitohy anio moa ny fihaonan’ny roa tonta
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.