Politique

Elysée Ratsiraka “Alahelon-tseza no tena hanenjehana ahy”


  • Alatsinainy 31 Jolay 2017

Taorian’ny nakan’ny polisy am-bavany ny Ben’ny tanànan’i Toamasina Elysée Ratsiraka ny herinandro teo dia nivoaka tamin’ny fahanginany ny lehilahy.

 

 Nambarany fa ny  filohan'ny filankevitra monisipaly ao amin’ny tanàna iadidiany ihany  no manenjika  azy. Amin’ny ankapobeny dia resaka fialonana toerana no betsaka satria tsy vita akory ny famindram-pahefana sy ny fametrahana ahy  tamin' ny toerako  dia efa nanao grevy io filohan’ny filankevitra monisipaly io hanala ahy  amin' ny toerako  mba hosoloina PDS  ka izy  no hatao premier PDS. Raha araka ny fanazavan’ity Ben’ny tanànan’i Toamasina ity hatrany dia mbola manakorontana hatrany io olona  manenjika  azy io amin’izao fotoana mitady ny toeran' ny Directeur financier(DAF). Tsy fitoriana no napetrany, hoy hatrany ny Ben' ny tanàna fa karazana demande d' explication, ka io no nentiny tany amin' ny polisy ara-toekarena ary natao karazana fitoriana. Momba ny resaka fanodinkodinam-bola hanenjehana azy dia nanazava tsotra ny Ben’ny tanàna Elysée Ratsiraka fa tamin' taona  2016 dia nisy ny atao hoe : credit ouvert, credit engage ary credit payé ka ny credit ouvert dia karaman' ny mpiasa. Sora-bola io fa tsy misy lelavola akory. Rehefa handoa ny karaman'ny mpiasa dia misy credit engagée toy ny hoe amin' ity volana ity ohatrinona ny vola tokony havoakan' ny tahirim-bolampanjakana handoavana ny karaman' ny mpiasa. Rehefa nalefa ny credit engagée ao amin' ny sampandraharaha misahana ny fitantanam-bola dia 2 miliara vola vahiny no karaman' ny mpiasa ao anatin' io izay nangatahina havoaka mba handoavana ny karaman' ny mpiasa. Nisy elanelanelana 20 tapitrisa Ar anefa ny volan’ny kaominina tao amin’ny tahirim-bolam-panjakana sy ny credit engagé ka io elanelana io no notadiavian’ny filohan’ny filankevitra. Nitondrany fanazavana ihany koa ny momba ny famarotana tany izay hanenjehana azy  koa. Nambarany fa miteniteny foana ny filohan’ny filankevitra satria tsy afaka hivarotra tanim-panjakana  velively ny tenany izay voamarina anaty certificat de  situation juridique. Farany ny resaka solika dia notsindriany fa manana tetibola ho amin’izany ny kaominina ka rehefa tapaka io dia anjaran’ny Ben’ny tanàna ny mampiasa azy.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT