Dia ahoana ny amintsika ? Ny hafa ve no handidy eo amin’ny toerako ?
Izay indray izao no manosika an’ireo minisitra nesorina tao amin’ny governemanta toa an-dry Elysé Ratsiraka (angovo) sy Eléonore Johasy (tanora sy alavoly) mbamin’ireo mpanao politika matahotra fifidianana toa an-dry Betina Bruno hilaza fa tokony hitady lalan-kafa hivoahana amin’ny krizy ny Malagasy. Niantso mpanao gazety teny Sahamadio Ilafy izy ireo omaly, nanehoany ny heviny mikasika ny raharaham-pirenena sy ny heverina fa lalana hivoahana amin’ny krizy.
Tsy ahitana taratry ny fandraisana anjaran’ny rehetra ny tetezamita amin’izao fa misy fanilihana ka tsy mety amin’izy ireo. Tsikerain’i Elysé Ratsiraka fa tambatambazana ireo tsy nanao sonia ny tondrozotra, toy ny tarik’i Didier Ratsiraka rahalahiny, mba hiditra anaty rafitra nefa ireo manohana tsy misy tokotaniny. Ny manaitra dia ny hoe maninona no efa herintaona aty aorian’ny nanaovan-tsonia ny tondrozotra sy nitsanganan’ireo andrim-panjakana voatondro ao anatiny ary aorian’ny namoahan’ny CENIT ny tetiandrom-pifidianana no mipoitra tampoka ireto andian’olona ireto, sa handrava efa mba hahafahana manitra ny tetezamita fa matahotra fifidianana ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.