Re ankehitriny, fa naverina any Afrika Atsimo tamin'iny faran’ny herinandro iny ilay angidimby raitra ZS RZA de A BELL430 iray tamin’ireo maromaro mpitondra ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana filoham-pirenena.
Lafo loatra ny saram-panofana azy na saika mbola hotazomina aza, raha ny fanangonam-baovao natao. Raha raisina amin’ny hevitra ilany, izay voizin’i Andry Rajoelina, dia fialana amin’ny fandanilaniam-poana volam-panjakana ny fanapahan-kevitra noraisina. Noresahina matetika tato ho ato fa tsy ekena ny gaboraraka, tsy azo leferina ny fanodinkodinam-bolam-panjakana, ka ho henjana ny sazy ho an’izay manao izany. Tsy ampy hitsarana azy sy ny fitondrany ny iray volana, fa raha ny tantara tany aloha, dia ny tetezamita notarihiny no tompondakan’ny gaboraraka, nalaza ho nampiasa volabe 182 tapitrisa dolara tsy mazava Rajoelina araka ny novoizin’ny haino aman-jery samihafa izy izay tsy mazava na vola madio na maloto. Hiainga avy any ambony ve ny ohatra ? Raha resaka fandaniam-bola indray, nahena ny isan’ny minisitra, fa ny akamakama kosa hamoronana seza ka hananganana rafitra manokana, toy ny misy ao amin’ny Fiadidian’ny Repoblika. Raha halalinina amin’ny lafiny faharoa indray, dia midika io fa tsy manam-bola ny fitondram-panjakana, ka miezaka milalao serasera fotsiny amin’ny zavatra atao mba hilazana fa miasa. Nilaza anefa fa ho avy afaka iray volana ny angidimby 5 hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana, kanefa anankiray aza izany tsy araka ny hofany. Tsy ho fampanantenana poak’aty indray izany iretsy nolazaina fa ho avy izay tapa-bolana eo sisa raha kotiana tamin’ny fotoana nanaovana fampitam-baovao ? Tsaroana ary haverimberina matetika ny tenin’ny filoha ankehitriny raha nilaza i Marc Ravalomanana fa tsy mbola afa-miala amin’ny mpamatsy vola mahazatra isika. Ny an-dRajoelina kosa dia toa nanakiana mafy tamin’ny hoe: ny an’i Zokibe Raiamandreny izao hitrosa izao foana, fa ny ahy rehefa tonga eo aho dia isika indray aza no hampindrana an’i Kaomoro. Vao tsy ela anefa izy no nangataka sy nitaky ny hanafainganana ny fanampiana ara-bola an’i Madagasikara. Laingalainga sy fampanantenana poak’aty izany hatreto ny hambo nilazana fa efa vonona ny zava-drehetra hahafahan’ny firenena miainga. Mba aiza ho aiza ilay ilay hoe: vao tonga eo aho dia hakariko 200 000Ariary ny karama farany ambany e?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.