Anosibe, Anosipatrana hatrany Ankasina hatreto no nampahafantaranay ny laharanay ao anaty bileta tokana sy ny vinan’asanay, hoy ny kandida ho ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra,
laharana voalohany ao anaty bileta tokana, Elias Ralaiarimanana. Resy lahatra aho fa antso avy amin’Andriamanitra no antony nirotsahako raha ny dingana sy sedra nolalovako. Voairaka hijoro amin’ny marina aho. Avy amin’Andriamanitra ny fahefana ary ny olona mivavaka dia mahatsapa izany. Aza matahotra minoa fotsiny ihany, hoy ny filoha Marc Ravalomanana, raha naka fahefana, ary ny fitiavana no lehibe indrindra, hoy ny filoha Andry Rajoelina. Antananarivo no nofidiana satria ho an’ny olona voaantson’Andriamanitra dia eo amin’ny renivohitra no apetrany. Anisan’ny vina ny fanamboarana tsena miisa dimy. Efatra amin’ireo no vaovao ary ny iray rihana ho an’ny tsenan’Anosibe. Tsy ahetsika ireo mpivarotra mandra-pahavitan’izany ary tsy ho tsena kitoatoa fa tena azo ivelomana. Sanatria izahay ho mersenera fa kandida mahaleotena ary mampiasa ny volanay madiodio, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.