Mpinamana be ary tena nifamato-dra mihitsy ny filohan’ny repoblika voalohany, Philibert Tsiranana sy ny filoham-pirenena tamin’ny taona 1975, ny kolonely Ratsimandrava
. Anisan’ny mety antony fanendrikendrehana nifatratra tany amin’ity filoham-pirenena ity ka nahatonga azy voaantso voalohany teny amin’ny tribonaly izany taorian’ny fotoana nahafaty an’ny kolonely ny 11 febroary 1975, raha ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny antoko PSD, Eliana Bezaza, tetsy amin’ny tranombokim-pirenena Ampefiloha omaly. Nanana hambompom-pirenena ny filoha Tsiranana, raha ny fanazavany, ary tsy azo noheverina ho anisan’ireo nifofo ny ain’ny kolonely velively.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.