Hany andriambavilanitra kandida filoham-pirenena tamin’ny 2007 ramatoa Elia Ravelomanantsoa, minisitry ny kolontsaina sy ny vakoka ankehitriny. Tsy hilatsaka anefa ny tenany amin’ny fifidianana filoham-pirenana amin’ny 24 jolay izao, na dia ampirisihina fatratra aza ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy amin’io fifidianana io toy ny hirosoan-dRtoa Saraha Rabearisoa sy Rtoa Joela. Milaza tsy hanolotra kandida mantsy ny antokony “Madagasikarantsika” araka ny tapany nandritra ny kongresy nasionaly tany Tolagnaro ny 9 martsa lasa teo. Hiditra anaty vovonana ny Madagasikarantsika ary hanohana ny antoko vonona hanatontosa ny vinam-piarahamoniny. Hisedra ny hevitry ny vahoaka kosa anefa ity antoko ity amin’ny fifidianana manakaiky ny vahoaka toy ny Fokontany, ny Ben’ny tanàna ary ny solombavambahoaka. Namolavola ny drafi-pampandrosoany koa ity antoko ity nandritra ilay kongresy nasionaly. Sarotiny ry zareo amin’ny harem-pirenena izay ny Malagasy no tokony higoka ny tombontsoa voalohany, tokony hahodina eto an-toerana ihany koa ny akora fototra fa tsy aondrana avy hatrany. Ao anatin’ny programany koa ny fizarana tany ho an’ny tantsaha.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.