Politique

Elia Ravelomanantsoa Ireo tetikasa goavana no mbola mampandeha ny toekarem-pirenena


  • Alarobia 17 Aogositra 2011

Miaina ao anatin’ny fahasahiranana lalina ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy noho ny krizy lavareny.

 Hoan’i Elia Ravelomanantsoa dia ny fisian’ireo tetikasa vahiny goavana toa ny QMM sy Ambatovy no mahatonga ny fangirifiriana ho mbola azo leferina noho ireto farany manome asa ny vahoaka sy mampiodina ny toekaram-pirenena noho ny karazana haba sy hetra aloany ary koa ny vola vahiny ampiasainy. Niaiky koa ny tenany fa tomponandraikitrika feno amin’ny fahasahiranan’ny vahoaka ny mpanao politika saingy tsy afa-miala koa ny vahoaka satria “an’ny Malagasy ny firenena ka mila mandray andraikitra avokoa ny isam-batan’olona fa tsy ailika amin’ny mpanao pôlitika irery ihany”, hoy izy. Nisy indrindra ny teny fampieritreretana ny mpanao politika nataony mba hampijanonana hatreo ny fifanaratsiana sy ny fifandrafiana ary indrindra ny fandraisana volam-bahoaka nefa tsy manefa ny andraikitra nankinina taminy. Ankoatra izay dia resy lahatra koa ny filohan’ny antoko Madagasikarantsika fa tokony havadika ho angovo hanatsarana ny hoavy, fa tsy ravana ny zavabitan’ny teo aloha satria volam-bahoaka no lany tamin’ny fananganana ireny foto-drafitrasa ireny no manafaingana ny fampandrosoana ihany koa ny fananana azy.

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT