Ekipan’ny VOT

> Mifanome tanana hampandresy ny kandida Robinson


  • Sabotsy 19 Oktobra 2013

Mihetsika ny VOT (Vondron’olon-tsotra manohana ny filoha Marc Ravalomanana).

Midina ifotony, mitety tanàna sy isan-tokonam-baravarana izy ireo mampahafantatra ny kandida tohanan’i Dada dia ny Dr Robinson Jean Louis sy ny fandaharanasany ary manentana ny olona hifidy ity kandida laharana faha-33 amin’ny bileta tokana ity. Tany Menabe dia mahatsapa ny ekipan’ny VOT fa mbola maro ireo tsy mahafantatra ny fisian'ny fifidianana amin'ny 25 oktobra ho avy izao ary maro koa ireo tsy mbola mahay mampiasa ny bileta tokana. Ho an’ny ekipa tany Alaotra indray dia nafana ny fihaonana teo amin’ny Vondron’olon-tsotra sy ny fikambanana ny tantsaha tao Soalazaina. Resy lahatra amin’ny fanohanana ny kandida Robinson Jean Louis amin’ny fifidianana filoham-pirenena hotanterahana amin’io herinandro io izy ireo. Nanome toky ny Tangalamena fa raha ny fifidianana an’ny dokotera Robinson no hampiverina ireo fampandrosoana natao ny Filoha Ravalomanana dia hiezaka mafy izy ireo hanao izay hampandaniana ny kandida laharana faha-33 amin’ny bileta tokana io. Tanjona iraisana ny hoe : «1er tour dia vita».

 

Niry A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT