Ho rava ny fanjakana miady an-trano hoy ny soratra masina izay. Ary tsy vitan’ny hoe rava fa mbola mifanala-baraka ihany koa ny samy mpinamana sy ny niara-nisaika.
Tsy levon’ny vavonin’ny namana mpanao gazety iray mpikirakira gazety amin’ny aterineto mpiara-dia tamin’ny fanjakana tetezamita mihitsy hatramin’izao ny fametraham-pialan’ny mpanao gazety iray hafa minisitry ny serasera teo aloha no sady filoha lefitry ny antoko Mapar tany Mahajanga. Aborak’ity mpanao gazety ity amin’ny atrineto avokoa izay heveriny ho kileman’ity ministry ny serasera tamin’ny tetezamita ity ary tsy vitan’izany fa tafiditra ao anatin’ny tantara ihany koa ny mpandraharaha izay akaiky ny filohan’ny tetezamita teo aloha sy ny filoham-pirenena ankehitriny izay ambaran’ity gazetin’ny aterineto ity fa niara-nanongam-panjakana tamin’ny fitondrana tetezamita ihany koa. Mandeha be mantsy ny resaka ankehitriny fa ataon’ny fanjakana Hvm izay fomba rehetra tsy hahafahan’i Andry Rajoelina hilatsaka ho fidiana amin’ny 2018 ka ny famerimberenena ny hoe mpanongam-panjakana atoa Andry Rajoelina sy ny namany no atao tonon-kira hampandilo ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Tsy ho afa-miala anefa ny filoha Hery Rajaonarimampianina izay minisitry ny Vola tamin’izany fotoana ihany koa fa tsy maintsy voaray. Ambaran’ny lahatsoratra ao amin’ity tranonkan’ala ity ihany koa fa miara-miasa akaiky amin’ny filoha ankehitriny ilay minisitry ny Serasera teo aloha mba hamboambotra ny vaovao momba azy. Taorian’ny fanambarana nataon’ny kolonely Charles Andrianasoavina, momba ny raharaha 2009 izany dia ity ataon’ity mpanao gazetin’ny aterineto izay miara-dia amin’i Andry Rajoelina ity indray ny famborahana ny tsiambaratelon’ny fanjakana tetezamita sy ny tarika kapoakany. Raha izao zava-misy izao no jerena dia ho sarotsarotra ihany ny raharaha mbola hiandry an’Atoa Andry Rajoelina sy ireto mpiara-dia aminy izay mifandimby manahy vary sy mifanebaka an-toerana.
Ra-bri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.