Politique

Ekipan’i Yves Aimé teny Ivato Nitonona ho ankolafy Ravalomanana


  • Alarobia 31 Aogositra 2011

Na dia niala tsy nandray anjara tamin’ilay fihaonana nokarakarain’ny Raiamandreny Mijoro teny Ivato aza ny V6 na ireo vondron’antoko politika enina nanao sonia ny dina repoblikanina, dia mbola nisy nitonona ho avy ao amin’ireo vondrona ireo ny mpizaika.

Tsy namaly ny fanasana ny avy amin’ny Ankolafy telo, kanefa nandritra ny tatitra dia nitonona ho Ankolafy Ravalomanana ny ekipan’i Yves Aimé. Raha nangalana fanazavana mikasika izany moa izy ireo, dia nanambara fa iraka fotsiny ihany fa tsy mahatapaka sy tsy mahazo miresaka amin’ny mpanao gazety. Raha nanontaniana ihany koa ny mpikarakara dia nilaza fa “izay hifanarahany any” tsy misy hidirany fa ny fantany dia nisy solontena avokoa ireo nasaina. Anisan’ny tapaky ny besinimaro nadritra io dinika io ny tokony hanatanterahana ny sonian’ny sori-dalana nasiam-panovana faran’izay haingana, ny hampiarahana ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka ary ny fifidianana kaominaly sy rezionaly. Ny hanamorana sy hanafainganana ny fanaovana sonia sy ny fampiharana ny tondrozotra moa no tanjon’ny Raiamandreny Mijoro sy ny Finoana tamin’ity fihaonana ity raha ny nambaran’ny pasitera Nestor Razafindramanitra.

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT