Raha araka ny filazan’ny pastera Edouard Tsarahame avy ao amin’ny ankolafy Zafy Albert dia tsy mahagaga ny manjo ny minisitry ny fampianarana amin‘izao fotoana satria tsy nanaja ny tenin-dRaiamandreny izy.
Misy antony matoa tsy nanaiky hanolotra olona hiditra ao amin’ny tetezamita ny filoha Zafy Albert, hoy izy, kanefa dia mbola nisisika niditra tamin’ny governemanta ihany ny sasany. Zava-dehibe loatra amintsika Malagasy, ny tso-drano avy amin’ny Raiamandreny, ary tena mahita loza mihitsy na sahirana lava amin’izay rehetra ataony ny olona tsy nahazo io tso-drano io. Izay no zavatra mahazo an’i Manoro Régis ankehitriny, araka ny filazan’ny pastera Edouard Tsarahame ihany.
Eo amin’ny lafiny politika amin’ny ankapobeny kosa dia tsy miova ny hevitry ny ankolafy Zafy, fa dia tsy maintsy atao aloha ny fifampiresahana sy ny fampihavanana, ka rehefa tomombana izany izay vao dinihana miaraka ny fomba hitantanana ny tetezamita, hoy ihany i Edouard Tsarahame. Araka ny filazany dia ifanarahana izany tetezamita izany, tsy maintsy hifanekena izay hitarika azy, fa tsy hoe mipoitra tampoka avy eny an-dalambe eny ny olona iray dia misora-tena fa filoha hamonjy ny firenena. Azo ambara fa nilamina ny tetezamita taorian’ny hetsi-bahoaka tamin’ny 1991, hoy izy satria nifanaraka ny mpanao politika rehetra ka nisy mihitsy ny fifanarahana nosoniavina sy naharesy lahatra ny rehetra ny 31 oktobra 1991 teny amin’ny Hotely Panorama Andrainarivo. Fa ny olana amin’izao fotoana dia nanandra-tena ho filoha i Andry Rajoelina ary tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny rehetra, dia izao iaraha-mahita izao fa mikatso ny tetezamita.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.