Politique

Edgard Razafindravahy Manao vaky sehatra politika any DIANA


  • Talata 16 Aprily 2013

Natomboky ny kandidan’ny TGV Edgard Razafindravahy ny alahady lasa teo ny fitetezam-paritra efa nampanantenainy fa tsy maintsy hotanterahany.

 Tany Ambilobe izy ny alahady ary tao Antsiranana omaly alatsinainy. Tsy fifidianana mialoha ny fotoana no atao, araka ny fampitam-baovao azo fa fifanatrehan-tava mivantana amin’ireo olona any amin’ny Faritra. Voalaza fa hoe mba te hahita ny endrik’izany kandidan’ny TGV izany, hono, ny olona any amin’ny faritra ka izay no anton’izao fitsidihana izao. Nisy koa ny fihaonany tamin’ireo Ben’ny tanàna avy amin’iny Faritr’i DIANA iny, mazava ny resaka eto fa efa mba miezaka amin’ny fomba rehetra hampahafantatra ny tenany ingahy Edgard Razafindravahy ka hitety an’i Madagasikara mihitsy raha ny fahitana azy.

Tsy nisy ny fampahafantarana ny vinam-piarahamonina na ny programan’asa, tsy nisy ny fanomezan-toky na fampanantenana fa hanorina an’izatsy na izaroa, saingy na ahoana na ahoana filaza azy dia efa misy loko propagandy ihany ilay izy. Mampiahiahy ny maro ihany ilay hoe fihaonana amin’ny Ben’ny tanàna. Sao lahy ka mampiasa ny fahefam-panjakana eo am-pelatanany ity kandidan’ny TGV ity mba hanindriana bokotra na handresen-dahatra ireo ben’ny tanàna toa azy ireo. I Edgard Razafindravahy mantsy no azo ambara hoe lohany amin’ny Ben’ny tanàna eto Madagasikara noho izy mitantana an’Antananarivo Renivohitra.

 

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT