Edgard Razafindravahy

> Rahonana hailika an-daharana koa


  • Alatsinainy 21 Oktobra 2013

Mibaribary ankehitriny fa dia atahoran’ny kandidam-panjakana sy ny mpanohana azy tanteraka i Edgard Razafindravahy. Tsy mijanona amin’ny fingampingana sy antsojay intsony mantsy izao ny resaka fa tonga hatrany amin’ny fandrahonana ny hanilika an-daharana an’ity kandida laharana faha-34 ity tsy ho afaka handray anjara amin’ny fifidianana mihitsy, ka tsy namelana azy hihaona amin’ny vahoakan’Antananarivo tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina omaly.

Fepetra izay mahagaga ihany satria samy kandida izao nefa navela hampiasa ny Coliseum eny Antsonjombe i Hery Rajaonarimampianina, vao niroso nampanao antsapaka amin’ny fampiasana io toerana io ny CENI-T. Samy fananam-panjakana anefa na ny Coliseum na ny Kianjaben’i Mahamasina ary miorina eo ambonin’ny tanin’ny Kaominina ny Coliseum. Tany am-boalohany, raha nivonona hirotsaka ho kandida i Edgard Razafindravahy dia nosakanana fa aoka aloha, satria hoe hilatsaka i Andry Rajoelina. Nofidian’ny maro an’isa hitondra ny fanevan’ny TGV nandritra ny kongresy teny Andranomena indray i Edgard dia nisisika ary nanao izay mba hirotsahana ho kandida ireo nifaninana taminy, dia tonga amin’izao fikasana hanilika an-daharana azy izao ny raharaha. Tonga teo anoloan’ny vavahadin’ny kianjaben’i Mahamasina ny mpanohana an’ity kandida ity omaly, saingy nilaza izy fa aleo mangina manana ny rariny, fa mbola ho avy ny fotoana. Fahombiazana ho an’i Edgard anefa raha nataony ny hetsika tao Mahamasina fa naleony najanona. Voatanany ny vahoaka, tsy nisy korontana na famotehan-javatra. Midika io fa to teny eto Antananarivo i Edgard Razafindravahy.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT