Edgard Razafindravahy

> Nitsikera ireo kandida tao anaty fitondrana


  • Alakamisy 17 Oktobra 2013


Na dia tsy navela niditra tao Ampasambazaha ny talata, noho  ireo antsojay maro samihafa, dia afaka nihaona tamin’ireo vahoaka alin-kisa tao Fianarantsoa ihany ny kandida Edgard Razafindravahy ny alarobia 16 oktobra. Nitohy tao Ambohimahasoa avy eo ny fihaonany tamin’ny vahoaka. Tsy nitsitsy fitenenana an’ireo kandida tao anaty fitondrana nisesy i Edgard Razafindravahy. «Efa tao anaty fitondrana izy ireo, nisy mihitsy aza lehibena governemanta, nefa inona no nataony ? Tsy vao mainka nitombo ny fahoriam-bahoaka ? Manome toky anareo aho fa raha mbola velon’aina ihany koa dia hiaro ny tombontsoam-bahoaka», hoy ity kandida mitondra ny laharana faha-34 ao amin’ny bileta tokana ity tao Fianarantsoa. Nandritra izany koa no nanomezany toky ny mponina fa “hamboarina iny lalam-pirenena faha-7 iny”.

JD

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT