Edgard Razafindravahy

> Nitsidika an’i Vakinankaratra


  • Zoma 04 Oktobra 2013


Tomefy olona hatrany ny lalana rehetra nolalovan’ny kandidà Edgard Razafindravahy nandritra ny fandalovany voalohany tao Vakinankaratra ny alakamisy 03 oktobra.  Nanomboka tao Ambatolampy ny fanentanana ny olona hifidy azy omaly, andro tsena tamin’io, ary dia nitohy tamin’ireo tanàna rehetra nolalovana tamin’ny lalam-pirenena faha-7 mandra-pahatonga tao Antsirabe ka tao amin’ny kianjan’i Karmaly no nandraisan’ny mponina Antsirabe azy. Nambarany fa laharam-pahamehana ho azy ny fanohanana ny lafiny sosialy, indrindra fa ny mahakasika ny ankizy sy ny tanora ary ny famoronana asa. Nasiany resaka ny momba ny hanarenana ny tafika mba tsy ho fitaovana politika intsony manomboka izao raha toa ka lany ho filoham-pirenena ny tenany.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT