Edgard Razafindravahy

> Niresaka fanabeazana tany Mandridrano


  • Zoma 27 Septambra 2013


Nihazo an’Ankadinondry Sakay sy Soavinandriana Itasy ny kandida Edgard Razafindravahy ny alakamisy 26 septambra. Tomefy olona hatrany ny lalana izay nizorany. Nihaino, nifampizara ny hetaheta toy ny dinidinika ambany tafontranon’ny mpianakavy i Edgard Razafindravahy sy ny mponina. Nasiany resaka ny lafiny fanabeazana izay anisan’ny maha sarotiny azy sy ny olan’ny mpampianatra FRAM izay mampikaikaika ny ray aman-dreny. “Hampidirina ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra FRAM mba hanamaivanana ny vesatry ny ray aman-dreny. Raha tiana ny hampandroso ny firenena dia beazina aloha ny zaza Malagasy. Arindra sy ampivoarina ny resaka dinam-pokonolona. Hapetraka ny antsoina hoe “justice forraine”, hidina mivantana handrindrana ny rafi-pitsarana sy ny dina”, hoy i Edgard Razafindravahy tao Soavinandriana.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT