Nihazo an’i Manjakandriana sy Sabotsy Namehana ny kandida Edgard Razafindravahy omaly alarobia 9 oktobra.
Nihaino ny fitarainan’ireo vahoaka izy ary tsy nihambahamba nanolotra vahaolana amin’ny alalan’ny fandaharan’asa izay efa maty paika. Anisan’ireny ny fananana rafi-pitsarana itokisan’ny vahoaka amin’ny alalan’ny fametrahana ny antsoina hoe “fitsarana imasom-bahoaka” na “justice forraine”, ny fanatsarana ny andavanandrom-piainan’ny mponina, ny famoronan’asa. “Ny fitsarana imasom-bahoaka no vahaolana entina manatsara ny rafi-pitsarana eto amintsika. Hidina ifotony ny fitsarana amin’izany. Azo antoka fa resy ny ady amin’ny kolikoly amin’izay, ary tonga ho azy ireo mpampiasa vola. Misokatra miaraka amin’izay ny tsenan’ny asa ary manana vahoaka matanjaka i Madagasikara”, hoy izy. Nanantitrantitra hatrany ity kandida mitondra ny laharana faha-34 ao amin’ny bileta tokana ity ny amin’ny ady amin’ny kolikoly. “Tsy hananako havana io”, hoy izy nanome toky.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.