Niditra lalindalina kokoa ny kandida Edgard Razafindravahy. Na mbola afaka andro vitsivitsy aza vao hanomboka ny fampielezan-kevitra dia nasehon’ity kandidan’ny TGV (Tanora malaGasy Vonona) ity fa dia vonona amin’ity hazakazaka ho eny Ambohitsorohitra ity ny tenany. Nentiny nanaporofo izany ny fampahafantarana ny besinimaro sy ny fitokanana ny foiben-toeran’ny komity mpanohana azy etsy Ankorondrano ary koa ny famoahana boky mirakitra ny tantaram-piainany, ny nibeazany, fandraharahana, ny nidirany teo amin’ny sehatra politika izay anisan’ny nanamarika izany ny nitantanany ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ary koa ny vina ho an’izany tanàna izany. Fotoana koa io namaliana ireo fanontaniana nanitikitika ny mpanao gazety. Tamin’izany no nilazany fa niala tsy ho Sekretera jeneralin’ny antoko TGV izy ho fanajany ny lalàna sy ho fiatrehana ny fifidianana ho avy io.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.