Nigadona tao Moramanga ny kandida Edgard Razafindravahy omaly zoma 04 oktobra nanazava mikasika ny fandaharan’asany hanarenana an’i Madagasikara ity.
Na alina aza ny andro dia vory lanona tao amin’ny Kianja monisipaly ny mponin’i Moramanga hihaino an’ity kandida ho Filoham-pirenena ity. “Sady nandalo no nonina tamin’ity tanàna ity ny tenako”, hoy izy nisantatra ny lahateniny. “Fotoana izao hamerenana ny hasin’ny Malagasy. Hijanona amin’ny faritra ny hareny. Harovana ny vidim-bokatra”, hoy izy. Nanome toky ny mponin’i Moramanga ity kandida ity fa “hatsangana ho faritra i Mangoro”. Nasiany fanazavana manokana ny antsoina hoe “justice forraine” izay anisan’ny fandaharan’asany entina hanomezana hasina ny fitsarana. “Hanakaiky ny vahoaka ny fitsarana. Hidina eny amin’ny Kaominina sy ny tanàna ireo Mpitsara. Hanampy azy ireo ny olobe”, hoy izy. “Tsy ekena ny fivadibadihana palitao ataon’ireo mpanao politika. Esorina tsy ao anivon’ny Antenimiera izay solombavam-bahoaka manao izany. Na izy ireo an-kavia, na an-kavanana”, hoy i Edgard Razafindravahy namatrapatratra manoloana ny fanaovana politika mambotry ny vahoaka Malagasy.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.