Nifanome fotoana tamin’ny mponin’i Brickaville ny Kandida Edgard Razafindravahy omaly Talata .Niezaka nandresy lahatra ny mponina tany an-toerana tamin’ny fandaharanasany. Fandaharanasa izay miompana amin’ny lafiny toekarena sy sosialy, eo ihany koa ny fanjakana tsara tantana. “Hatramin’izay tsy mbola nampandresena ny vahoaka. Raha tiana hatanjaka ny firenena dia ny vahoaka no hampadresena sy hampatanjahana voalohany. Omena fahasalamana, fanabeazana azo antoka, asa sahaza ny mponina. Hatsangana ny antsoina hoe Caisse Nationale d’Assurance Maladie (CNAM) izay mitovy rafitra amin’ny CNAPS, mba hiantoka ny fitsaboana, ny fidirana hopitaly sy ny fanafody ho an’ny olona. Zo fototra ny fahasalamana”, hoy ny kandida Edgard Razafindravahy. Nandritry ny fandalovany tao Brickaville dia nasiany teny manokana ny mikasika ny orinasa Sirama. “Mila mihodina io orinasa io. Mila manana fotodrafitrasa mendrika azy Brickaville”, hoy hatrany izy. Naverimberiny hatrany fa “mila mijanona amin’ny faritra ny hareny mba hananan’ny faritra fahaleovantena ara-pitantanana”.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.