Gaga sy talanjona amin’ny fidororororon’ny mpitondra misy eto Madagasikara amin’izao fotoana Atoa Edgar Razafindravahy filoha mpitarika ny AND.
Efa ho herinandro no tondra-drano ny tao Mampikony sy ny manodidina azy, efa tena miaina anaty rano ny olona saingy tsy nisy na dia manampahefana iray aza nijery ireo olona ireo, hoy izy. Ny sefo fokontany moa tsy afa-mihesika firy satria tsy manam-bola sady tsy misy fitaovana. Ny eo anivon’ny kaominina milaza ihany koa fa tsy manam-pitaovana sy tsy ampy vola. Amiko dia tsy ilaina intsony ny mifidy izany filoham-pirenena izany eto Madagasikara, hoy i Edgar Razafindravahy tany Ambilobe satria toa mifamitapitaka fotsiny. Raha filohan’ny faritra dia hitako fa mety satria akaiky kokoa ny vahoaka hoy izy, mila dinihana ny rafi-pitondrana tena mety amin’ny Malagasy fa raha ny endriny amin’izao fotoana aloha dia tsy hahitan’ny vahoaka tombontsoa mihitsy, hoy ny filohan’ny ADN. Namoha indray ny resaka federalisma nandritra izao fitsidihany tany avaratra andrefan’ny nosy izao ingahy Edgar R. Federalisma sahaza ny Malagasy sy i Madagasikara no tokony hirosoana satria efa hita sy voaporofo tato anatin’ny 50 taona fa tsy mety eto ilay fanjakana tokana. Mivangongo loatra eo am-pelatanan’ilay filoham-pirenena mantsy ny fahefana ary mivangongo ao amin’ny renivohitra sy ireo tanàn-dehibe ihany koa ny fitantanana. Mihevitra ity PDS-n’Antananarivo Renivohitra teo aloha ity fa tokony havela hisafidy amina rafi-pitantanana samihafa ny Malagasy, tahaka ny hoe fanjakana tokana sy fanjakana federaly ka izay lanin’ny maro an’isa no ampiharina eto. Sokajian’ny mpanara-baovao politika ho efa fiomanana amin’ny fifidianana filoham-pirenena manaraka ho avy eo moa ity fitetezana an’i Madagasikara ataon’ny ADN ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.