DST (Direction de la Surveillance du Territoire) indray izao no anarana malaza.
Tato anatin’ny tapa-bolana teo izay dia mila ho isan’andro no ahitana io anarana io miverimberina an-gazety sy andrenesana azy amin’ny haino aman-jery. Eny fa hatramin’ny zazabodo tsy mahalala izay atsimo sy avaratra amin’ny raharaham-pirenena aza milaza fa “samborin’ny DST eo !” mba handrahonana na hampanginana ny mpiara-milalao aminy. Izay fisamborana izay no kisary miraikitra ao an-dohan’ny maro, eny hatramin’ny zaza aza, raha vao resaka DST ilay misahana ny fiarovana ny lafintany. Faramparany teo dia lasibatry ny DST ny mpanao politika, indrindra ny mpanohitra ao amin’ny ankolafy Ravalomanana. Nopetahana ankitsirano i Mamy Rakotoarivelo, fa hoe tao ambadiky ny fipoahan-javatra tamin’ny fotoana nandalovan’ny fiara nitondra an’i Andry Rajoelina teny Masay tamin’ny martsa 2011. Noraofina manta ireo fiara 4x4 marika Nissan, nampiasain’ireo Parlemantera tamin’ny andron-dRavalomanana. Ka ny an’ireo Depiote TIM sy Senatera TIM tsy nanohana ny FAT ihany no nohazaina.
Farany izao dia lasibatry ny DST indray i Tojo Ravalomanana. Nisafidy ny hiverina an-tanindrazana zanaky ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, rehefa sesitany telo taona tany Afrika Atsimo, handray an-tanana ny fampihodinana ny orinasan’ny fianakaviana, dia ny TIKO izany. Nanaovan’ny DST bemidina, nanapoahana basy ary nidirana tamin-kery ny trano ipetrahany ao Manjakatompo Andranomanelatra, Antsirabe II, ny alin’ny 6 febroary 2012, ary nosavaina fa hoe sady manao trafika rongony no mitahiry fitaovam-piadiana ity zanaky ny prezidà Ravalomanana ity. Nambara aza fa dia hatramin’ny nahatongavany ka nipetrahany ao Andranomanelatra dia mirongatra ny tsy fandriampahalemana amin’iny Faritr’i Vakinankaratra iny. Fanambarana izay mahatezitra ny vahoakan’Antsirabe tokoa. Ny alatsinainy 13 febroary 2012, herinandro aty aoriana, dia mbola nisy andian’olona tsy fantatra tonga tao Manjakatompo, fa hoe hanamarina ny zava-nitranga tamin’ny fandalovan’ny DST. Ity farany izay efa nanambara fa mbola hiverina. Omaly dia nahoraka hatreny amin’ny tranokalam-pifandraisana sy ny sms fa hisambotra an’i Tojo Ravalomanana ny DST. Nisy rahateo fiara Volkswagen Touareg sy fiarabe iray, feno miaramila mirongo basy tonga tao Antsirabe, hatry ny omaly tolakandro ary nivezivezy teny amin’ny Lapan’ny Fitsarana teny.
Vetivety dia niely tao an-tanàna ny feo. Romotra ny vahoaka amin’ity antsojay tsy misy farany ataon’ny DST ity. Nirohotra nihazo an’i Manjakatompo, haneho firaisankina, ireo mpandala ny ara-dalàna saika hanao fihetsiketsehana isaky ny alarobia tao amin’ny Magro Avaratsena. Efa niatrana ary nivonona amin’izay mety hitranga ihany koa ny vahoaka teny Andranomanelatra sy ny manodidina. Nanamafy ny andraikiny ny andrimasompokonolona. I Tojo Ravalomanana mandritra izany fotoana izany dia ao Manjakatompo, azo lazaina ho milamin-tsaina ihany eo anatrehan’ny resaka mandeha fa hosamborina. Raha ny fikaroham-baovao rahateo dia tsy misy ny didy fampisamborana azy, na koa taratasy fampiantsoana azy hiseho amin’ny mpanao fanadihadiana ka hoe nolaviny ka mety hitarika izay fisamborana izay.
Tandindomin-doza
Miteraka resabe ity DST ity, indrindra tamin’ny nilazan’ny lehibeny, ny kaomisera Nakany Charly, fa manana ny lehibeny izy ka tsy misy tokony hanaovany tatitra amin’ny Praiminisitra. Raha tonga hisava ny tranon’i Tojo Ravalomanana anefa ny DST dia naka fahazoan-dalana hisava trano tany amin’ny lehiben’ny fampanoavana ao amin’ny Fitsarana Antsirabe. Ny lehiben’ny fampanoavana anefa dia ny minisitry ny fitsarana no lehibeny, ary ity farany dia ny Praiminisitra no lehibeny ary tokony hanaovana tatitra. Raha milaza ny DST fa tsy misy tokony hanaovany tatitra amin’ny Praiminisitra dia taratasy famitana iraka na “Ordre de mission” avy amin’izay lehibeny no nasehon’izy ireo tany Manjakatompo.
Tsy izay anefa no nitranga, ka eo no olana amin’ity raharaha ity ! Mandeha moa ny resaka tato ho ato fa dia toy ny DGDIE tamin’ny Repoblika faha-II, izay nanana ny foiben-toerany teny Ambohibao, ny DST ; ny DGDIE izay efa nofoanana ary nosoloina ny CIS (Central Intelligence Service). Ity farany izay manana ny foiben-toerany etsy Antanimora, ary mpanangona vaovao indrindra izay mety hanohintohina ny fiandrianam-pirenena, mitsongo dia no tena asany. Koa raha asan’ny DGDIE tokoa no sahanin’ny DST dia mazava fa polisy politika ity farany. Manampy azy ny FIS (Force d’Intervention Spéciale), izay rafitra najoron’ny FAT saingy tondroin’ny iraisam-pirenena fa milisy. Ny fisian’ireo dia mampibaribary fa tandindomin-doza ny demokrasia sy ny fahalalahana fototra nofinofisina hampanjakaina eto, fa dia ny fomban’ny STASI, GESTAPO, KGB, MOSSAD … no hanjaka eto. Mbola hitohy !
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.