Hisambotra dahalo sa hisambotra mpimasy ? Izay no fanontaniana mby an-tsain’ny maro taorian’ny nahitana sy nandrenesana fa dia nosamborina tao Analabinda, 35 km atsimon’i Betroka, ny sabotsy 15 septambra teo, ny ramatoa iray fantatra amin’ny solon’anarana hoe Tokanono.
Araka ny fampitam-baovao aelin’ny FAT dia mpimasin’ny dahalo ity nosamborina ity. Noraofina niaraka taminy ny ody gasy maromaro sy lamba miloko mena amina metatra maro, ary saina miloko mena sy fotsy. Nivadika ho fisamborana mpimasy izany aloha hatreto ny asan’ilay andia-miaramila manokana tarihin’ny lehiben’ny FIS (Force d’Intervention Spéciale), ny kolonely Lylison René de Roland, nirahina hisambotra an-dRemenabila dahalo raindahiny sy hanafongana (?) ny asan-dahalo any atsimo. Ny mpimasy na ombiasy izay tsy zava-baovao amin’ny faritra maro manerana ny Nosy, eny fa na eto an-denivohitra aza, fa mifamatotra amin’ny fiarahamonina malagasy.
Na izany aza dia toa mampahatsiahy ny hetsiky ny DST (Direction de la Sécurité du Territoire), notarihin’ny kaomisera Nakany Charly tamin’ny fotoan’androny ity tranga ity. Nisy mpimasy na ombiasy roalahy, nambara fa nohafarana avy any Toliara, tonga teto Antananarivo ny aprily 2012. Nosamborin’ny DST tao an-tranon’ny minisitry ny jono teny Andraisoro niaraka tamin’ny ody gasy ireo ombiasy, fa hoe mikasa hifofo ny ain’i Andry Rajoelina, araka na ny angom-baovao sy ny fitsongoana dia nataon’ny DST. Nisy dokotera iray koa nofaohina niaraka tamin’ireo mpimasy ireo. Nadoboka tany Tsiafahy ireo olona ireo taorian’izay. Efa-bolana taty aoriana, aogositra 2012, dia niaraha-nahalala ny tohiny fa nafahan’ny fitsarana noho ny filasalasana ireo ombiasy roalahy nahiahiana ho nifofo ain’olona ambony mpitondra eto amin’ny firenena io. Ny volana mey 2012 indray dia nahoraka teto an-drenivohitra koa ny fisavana ny tranon’i Aina, ilay lehilahy “mpitaiza” olona eny Itaosy, nataona andiana mpitandro ny filaminana. Firavaka volamena an-jatony grama, vola am-polony tapitrisa Ariary no very tao anatin’izany, ankoatra ny fanimban-javatra sy ny fitondrana sy nitazonana ity “mpitaiza” ity tany amin’ny biraon’ny polisy tetsy Anosy. Nifanilihana indray moa ilay raharaha nony avy eo. Izao dia nahasambotra mpimasy indray koa ny FIS.
Hanamora ny fisamborana an-dRemenabila ary ve ny fahazoana an’i Tokanono ? Izay aloha ny fanirian’ny rehetra, saingy raha tena “reny mpiahy” ny dahalo tokoa ity ramatoa ity, dia ho sarotra no hinoana fa hitoroka ny olony izy. Samy miaiky anefa ny rehetra fa matoa misy dahalo any an-tsaha dia misy koa ny dahalo ambony latabatra, mifandray tendro amin’izy ireo, na amin’ny famatsiana fitaovam-piadiana io, na fanadiovana ny taratasin’omby.
Raha toa ary ka mivaha ny vavan’i Tokanono, ka mahatonona anarana mpitondra izy dia hanao ahoana ny hoaviny ? Tsy mifankaiza amin’izany mantsy no nahazo an’i Solo Régis, ilay voalaza fa jiolahy raindahiny amin’ny resaka “kidnapping” sy ny fanafihana mitam-basy. Nosamborin’ny FIS tany Toamasina ilehio tamin’ny febroary 2010. Tao anaty fifampitifirana no nanatanterahana ny fisamborana azy, ary dia voalaza fa voatifitra teo amin’ny feny i Solo Régis. Nisy horonantsary naseho mikasika an’io. Mbola nampiana fanazavana fa misy mpanao politika notononin’io jiolahy io fa mpiray tendro aminy. Tsy heno popoka intsony anefa ny tohin’ilay raharaha, i Solo Régis rahateo nambara indray fa maty. Nosamborina tany Mahajanga ny 16 oktobra 2011 koa i Elysé voatondro fa naman’i Solo Régis. Telo lahy ireto farany no azo sambo-belona tamin’io, nafatotra tongotra aman-tanana tamin’ny tady “nylon” ary dia naseho ny mpanao gazety tao an-drenivohitr’i Boeny. Tsy nisy 24 ora taorian’io fisamborana io anefa dia hoe maty aty Antananarivo i Elysé.
Nametraka fitoriana tao amin’ny fampanoavana Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo ny havan’ity farany. Hatreto aloha, tsy misy fivoarany ny raharaha. Inona avokoa no anton’izany ? Izay no mampametraka fanontaniana eto hoe voasambotra tokoa ve i Tokanono, mpimasy vavy ? Hanao ahoana anefa ny hoaviny raha manonona anaran’olona ambony ho mpiray tendro amin-dry Remenabila eo io ? Efa am-bolana izay no nahoraka ity halatra omby ataon’ny malaso arahina vono olona any atsimo ity, ka nandrenesana ny anaran’izany Remenabila sy Tokanono ary Raopilanina izany nefa izao i Tokanono vao nosamborina, amin’izay toa tsy dia lavitra no nisy azy raha oharina amin’ilay halaviran-dalana 35km atsimon’i Betroka voalaza. Hafahafa ihany !
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.