Politique

Dr Zodaly Noël «Hiverimberina ny tetezamita raha tsy misy lalŕmpanorenana eken’ny rehetra»


  • Alarobia 11 Jolay 2012

Ny krizy dia zavatra miseho anatin’ny fotoana fohy, hoy ny Dr Zodaly Noël mpikambana ao amin’ny Filankevitra Ambonin’ny tetezamita sady mpitarika ny M.M.V (Malagasy Mitsimbina Vahoaka), ka misy zavatra niova tampoka tao nahatonga ny fisehoany.

 Ny antsika amin’izao fotoana izao dia krizim-pitantanana, hoy ity CST ity, teo amin’ny fanjakana ara-dalàna isika no nankany amin’ny fanjakana tsy ara-dalàna, ka mampisy ny tetezamita. Rafitra ifanarahan’ny rehetra io tetezamita io, hoy izy, ka tokony hiarahana mitantana raha ny tokony ho izy. Nahatafapetraka lalàmpanorenana ity tetezamita ity nefa tsy nampiharina izany fa nohitsakitsahina tamin’ny fananganana ny tondrozotra. Dia io mihitsy no ambony hitondrana ny raharaham-panjakana ankehitriny. Lalàmpanorenana tsy ara-dalàna, araka izany, iny nolaniana tamin’ny 2011 iny ka manjary mitarika tetezamita vaovao hafa indray. Raha ilay tondrozotra nataon’ny rehetra sonia iny, hoy ity CST avy any Atsimo Atsinanana ity, dia ny fametrahana ny rafi-pitondrana tetezamita no mibahana ao anatiny fa tsy misy ny andalana mazava misy sori-dalana hivoahana amin’ny krizy ao.

Ka aminay dia tokony handrafitra lalàmpanorenana vaovao 2 na 3 na mihoatra aza isika hisafidianan’ny vahoaka. Samy manazava ny heviny ao daholo na ny ao anatin’ny fitondrana na ny ivelany ka izay tena azon’ny vahoaka tsara no asaina fidiany. Ny tiako ambara, hoy ny Dr Zodaly Noël, dia tsy mibanjina afa tsy any amin’ny fanohanana olona ny tondrozotra. Ny fanaovana fifidianana tsy manaraka lalàmpanorenana, hoy izy, dia mitarika tetezamita vaovao hatrany satria izay filoha ho lany eo dia tsy maintsy hametraka lalàmpanorenana vaovao araka izay mahametimety azy indray. Ka raha tsy tena voafidy tsara fa mbola tahaka ny tamin’ny 2011 ny lalàmpanorenantsika dia hiverimberina eo ny tetezamita. Ka hoy izahay M.M.V hoe : andao hiverina an-databatra boribory hifandinika fa aza mamita-bahoaka. Vonona ny hifanakalo hevitra amin’ny rehetra izahay.

Manohy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT