Dr Robinson Jean Louis, kandida filoham-pirenena natolotry ny antoko AVANA. Efa minisitry ny fahasalamana sy fanatanjahantena ary koa solombavambahoaka nandritra ny fitondrana Ravalomanana no vahiny anio, miresaka manodidina ny fiainam-pirenena ankapobeny.
Tia Tanindrazana (TT) : Raha izao zava-misy izao, mbola mino ny hisian’ny fifidianana amin’ity taona ity ve ianao ?
Dr Robinson Jean Louis (Dr Robinson) : Misy olona vitsivitsy maromaro mampiasa ny fomba rehetra tsy hisian’ny fifidianana. Raha ny zava-misy dia tsikaritra ny fisian’ny kandida efa nanomana hatry ny ela ny firotsahany, ao no diso fiaingana ka izao vao manenjika ary misy ireo tsy ampy mihitsy ny enti-manana hiatrehana ny fifidianana. Amiko aloha dia tokony hisy fifidianana amin’ity taona ity. Raha vao mivoaka ny datim-pifidianana izay voalaza fa mety ho fantatra amin’ity volana jolay ity ihany dia misy zavatra izay tsy maintsy jerena akaiky dia akaiky. Ampy izay ny fampiasana ny fitaovam-panjakana hanaovana «faux départ» sy fampielezan-kevitra ka ilazana amin’ny vahoaka fa avy aty amiko ireto zavatra ireto nefa hitam-poko, hitam-pirenena fa fitaovam-panjakana. Ampy koa ny famafazana lainga. Efa manangona ny porofo rehetra amin’ireo manao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana izahay ary hangataka ny fanatsoahana azy tsy ho kandida «disqualification» amin’ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana. Manomboka amin’ny fotoana ahalalana ny datim-pifidianana vaovao dia tokony hitovy avokoa ny enti-manana ampiasain’ny kandida 41.
TT : Fa nahoana moa no ampitoviana ny vola ampiasaina ?
Dr Robinson : Asiana fetrany farany ambony ny vola ampiasaina. Tokony hilaza ny vola heveriny hampiasaina ny tsirairay nefa asiana fetrany izany. Ka izay tratra mampiasa vola mihoatra an’io na koa mampiasa fitaovam-panjakana dia “disqualifié” avy hatrany.
TT : Mbola niresaka kandida 41 ianao. Aminao izany tsy olana maha kandida an’i Andry Rajoelina, Lalao Ravalomanana ary Didier Ratsiraka ?
Dr Robinson : Ekena fa tokony hisy solontenan’ny hery velona hafa toy ny fiarahamonim-pirenena nandrafitra ny CES nefa tsy izay no zava-misy. Mpitsara ambony grady nofidian-dry zareo samy mpitsara ireo mpikambana ao amin’ny CES ankehitriny ireo ka iza indray ary no marina miohatra ny mpitsara ? Heveriko fa mety ho maro an’isa angamba ireo mpitsara nomba ny firotsahan’ny kandida rehetra nandritra ny adihevitr’izy ireo. Raha tsy atokisantsika ihany koa ny fitsarantsika dia inona moa izany no maha firenena ny firenentsika ?
TT : Nisy fotoana ianao nandroso soso-kevitra hanonerana ny fatiantoka aminareo kandida noho ny fihemoran’ny fifidianana, iza no iantefan’izay fitakiana izay ?
Dr Robinson : Ireo mpikarakara fifidianana ka ! Any amin’ny “Conseil d’état” no ametrahana ny fitoriana izay omanin’ireo mpisolovava sy mpahay lalàna ato aminay. Ny mahagaga dia ny filazana fa afaka sivy volana vao vita ny fanotana ny bileta raha isika Malagasy no manao azy. Ny bileta ve dia tsy ho vitan’ny “Imprimerie Nationale” satria izay no lalàna ? Misy firy koa anefa ireo trano printy “imprimerie” eto amintsika afaka manao izany ? Tokony hifanaja ihany koa ny mpifaninana fa tsy ny kandida izay misafidy hanao vondrona “Collectif des candidats” no hitsikera na handidy an-dranona sy ranona izay kandida mitovy aminy. Tsy tokony hatao toy ny ankizikely koa isika ka miova hevitra isan’andro lava izao. Manao sonia fifanarahana iraisam-pirenena androany dia lavina sahady iny ny ampitso. Ny zavatra sahala amin’izany mahatonga antsika ho gisitra. Lohalaharana taty Afrika iray manontolo isika tamin’ny 1960 fa anisan’ny gisitra indrindra amin’izao. Dia mbola mitady hanitatra ny tetezamita indray ve isika ? Tsy manana drafitra maty paika hitondrana ny firenena akory fa tambazana amin’ny vola kely sy karazana tapimaso fotsiny ny vahoaka. Izao nohidiana ny Kianjan’ny demokrasia rehefa azo ny fitondrana. Olombitsy kely anie ireo e !
TT : Tonga eto indray izao ireo mpanelanelana iraisam-pirenena, misy vahaolana azo antenaina amin’izy ireo ve ?
Dr Robinson : Fomba fiasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena no mamela ny firenena mandalo krizy hamaha izany izy samy izy aloha. Avoaka lalàna ilay marimaritra iraisana avy eo hivoahana amin’ny krizy sy hisorohana ny fifandonana. Atsangana manaraka izay ny governemantan’ny firaisam-pirenena izay tsy hita taratra akory. Lazaina fa governemanta iraisana io nefa be dia be ireo tsy nantsoina akory fa ireo mpanao ankisisika ihany no tafiditra. Ao koa ireo nanda ny fidirana tao satria tsy te hiray petsapetsa tao mihitsy. Ireny nisisika ireny indrindra anefa no tena mpanao ady vola ao anaty fitondrana, izy ireo koa no naka ny fahefana tamin’ny alalan’ny fanonganam-panjakana tsotra izao. Natao sonia koa ny tondrozotra nefa fanenjehana ny hafa no tena atao. Farany teo izao dia raràna indray ny fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana an-tanindrazana satria ahiana hisy korontana, hono. Tsy hisy izany eto e ! Iza no hanakorontana eo ? Lazaina fa tezitra mafy amin’i Marc Ravalomanana, hono, ny miaramila. Fa angaha moa raha atao hoe tezitra mafy tokoa ry zareo miaramila dia hamono olona ankitsirano ? Fomba hijanonana eo amin’ny fitondrana io amiko. Rehefa midongy hijanona eo foana io fanjakana io dia vao mainka hianjera avy any ambony be any.
TT : Ny fampihavanana ataon’ny FFKM indray, ny fahitanao azy ?
Dr Robinson : Manao izay ho afany ry zareo manoloana ny fahasahiranana lalina mianjady amin’ny firenena. Te hampihaona ireo filoha efatra ry zareo ka irariana ny hahatafitany soa aman-tsara. Efa niteny foana anefa ny tenako fa tsy ampy mihitsy raha ny fampihavanana azy ireo. Efa tamin’ny 1975 ve ny sasany no nitondra dia mbola mihevitra ny hahomby amin’ny fitantanana hatrany ka hirotsaka hofidiana ? Ny sasany indray dia sahy mivoy fa fifidianana depiote na lalàmpanorenana indray, hono, no tokony hatao. Anjaran’ny FFKM no milaza amin’izy ireo ny hijanonany amin’izay. Betsaka ny tanora manana traikefa amin’ny fitantanana. Aorian’ny fampihavanana azy efa-tonta dia tokony hovorian’ny FFKM koa ireo kandida filoham-pirenena rehetra. Olom-bitsy milaza azy fa manana ny miaramilany no tena mitazona izao fanjakana izao. Ny Malagasy moa matahotra ny basy araka ny ohabolana hoe : “Aleo maty rahampitso toy izay maty androany”. Na izany dia manana fahendrena ny Miaramila izay tsy te hampisy ra latsaka tahaka ny tamin’ny 2001 ireny. Mbola mieritreritra angamba ny miaramila momba izay fanapahan-kevitra horaisiny.
TT : Ny teninao farany ary ?
Dr Robinson : Ny fahasalamana, ny fanabeazana, ny toekarena, ny fandriampahalemana no tena zava-dehibe indrindra nefa iaraha-mahalala fa tsy misy zavatra mandeha eto izao. Ny asa laharampahamehana amiko dia ny ady amin’ny tsy fahamarinana rehetra toy ny kolikoly manomboka any ambany indrindra ka hatrany amin’ny faratampony sy ny tany zarazaraina amin’ny mpanambola. Ny vola izao no lasa andriamanitry ny mpanao politika sy ny mpitondra. Raha ny vola no mifehy eto fa tsy ny lalàna dia angamba misy sazy avy any ambony mbola hitranga eto.
Nangonin’i Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.