Nakotrokotroka ny fampielezan-kevitra ho fampandaniana ny kandida Dr Robinson Jean Louis tao Tolagnaro ny zoma lasa teo.
Nisy ny karnavaly lehibe namakivaky ny tanàna niainga teny amin’ny seranam-piaramanidina ka hatreo anoloan’ny lapan’ny tanàna. Nisolotena ny kandida laharana faha-33 ao amin’ny bileta tokana, i Augustin Tirike. Tonga nanotrona ny ankolafy Ravalomanana kosa i Mamy Rakotoarivelo na tsy nandray fitenenana aza ny tenany. Nasongadin’ny CST Mosa Tahiry ny fahavononan’i Faradofay hampandany an’ny dokotera Robinson amin’io fifidianana ho filoham-pirenena io. I Tirike kosa dia nanamafy fa mahafantatra ny aretina mahazo an’i Faradofay sy Madagasikara dokotera, ary vonona hitsabo azy. Tamin’ny fidiran’Atoa Marc Ravalomanana tamin’ny antso an-tariby avy atsy Afrika Atsimo no nanentanany ny tokony hifidianan’ny vahoaka rehetra an’ny Dokotera Robinson Jean Louis. Mora ny hanarenana ity firenena nalentiky ny sasany ity raha izy no tonga eo amin’ny fitondrana, hoy i Dada. Aza miala amin’ny dokotera ianareo, hoy izy fa olontsika io. Resy lahatra i Faradofay.
Natiora OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.