Notsidihan’ny Dr Robinson Jean Louis sy Neny Lalao Ravalomanana ny Faritra 22 manerana ny Nosy tao anatin’ny 4 herinandron’ny fampielezan-kevitra.
Tsotra sady mazava ny an’ny kandida Jean Louis Robinson, mitondra ny laharana faha-33 ao amin’ny bileta tokana : vonona ny tenany hitari-dalana ny Malagasy amin’ny fanarenana ny firenena, taorian’ny fanapotehana nataon’ny mpanongam-panjakana teto nandritra ny efa-taona mahery izao. Nanao antso avo ho an’ny rehetra ity kandida tohanan’ny ankolafy Ravalomanana ity mba hifanome tanana aminy. Ampy traikefa izy, mahafantatra tsara ny zava-misy eto Madagasikara, efa nitarika ny holafitry ny dokotera mpitsabo manerana ny Nosy, efa avy minisitry ny fahasalamana avy eo minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena ihany koa. Olona niara-niasa akaiky tamin’ireo fikambanana iraisam-pirenena teto Madagasikara sy tany ivelany ny Dr Robinson Jean Louis ka noho izany dia tsy vahiny intsony aminy ny fomba fiasan’ny mpamatsy vola avy any ivelany ary mahafantatra tsara ireo kipitsopitsony rehetra amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena. Tsy niditra mihitsy tamin’ny resaka politika nandritra izao tetezamita izao ny tenany, tsy mba olona voaresaka na voatonontonona amina afera maloto, hatramin’izay ka hatramin’izao, anisan’ireo manampahaizana malagasy nahay nampihatra ny zavatra nianarany ho amin’ny tombontsoan’ny Malagasy, ary vavolombelon’ny fanovana tena izy efa natomboky ny filoha Ravalomanana teto, ary mbola vonona hanohy ny hanao tsaratsara kokoa noho izany aza, raha toa ka matoky sy misafidy azy ho filoham-pirenena amin’ny zoma 25 oktobra ho avy izao ny Vahoaka malagasy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.