Dr Robinson Jean Louis

> Manome enim-bolana hanafoanana ny asan-dahalo


  • Zoma 18 Oktobra 2013

Faritra mena amin’ny resaka fandriampahalemana maromaro any atsimon’ny Nosy dia Mahabo, Ankazoabo Atsimo indray no notsidihan’ny Dr Robinson Jean Louis omaly alakamisy.

Tena henjana ny asan-dahalo any amin’ireo faritra ireo. Nampanantena ny kandida laharana faha-33 amin’ny bileta tokana fa dia ho foana ao anatin’ny enim-bolana ny asan-dahalo, ary ampitomboina ny isan’ny mpitandro ny filaminana hisahana izany. Tsy ny lafiny fandriampahalemana ihany hoy izy no ho jerena fa ny lafiny fampianarana izay ho atao maimaimpoana satria maro ireo zaza tsy niditra an-tsekoly nandritra izay fitondrana FAT izay. Dimy taona lasa izay, hoy ny Dr Robinson Jean Louis, tsaroanay tsara ny nataon’ireo tsy matahotody ireo, ka tonga izao ny fotoana hanakisahantsika azy ireo amin’ny alalan’ny fifidianana. Tonga aho, hoy izy, dokotera hitsabo ny aretina napetraky ny mpanongam-panjakana. Hafaliana no nasetrin’ny vahoaka marobe tonga nanatrika ny fampielezan-kevitra tao Mahabo, Ankazoabo Atsimo izany fandaharan’asan’ny dokotera Robinson izany. Nanotrona azy hatrany moa Rtoa Lalao Ravalomanana izay tsy mitsahatra manentana ny vahoaka hitondra am-bavaka ny kandida Robinson sy hifidy ny laharana faha-33 amin’ny 25 oktobra izao. Ny firaisankinantsika hoy izy no hahafahana manangana firenena vanona, ho an’ny taranaka fara mandimby. Noho izany dia tongava mifidy an’i Robinson, ilay “favori”.

Niditra mivantana tamin’ny antso an-telefaonina avy any Afrika Atsimo ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, horakora-pifaliana no nasetrin’ny vahoaka ny fahenoana ny fandrenesana ny feon’i Dada. Avy hatrany dia ny fanentanana ny olona ho tonga hifidy ny kandida Robinson amin’ny 25 oktobra 2013 no nanombohany ny lahateniny. Fidio Robinson, hoy izy fa aza misalasala fa io no kandida natolotr’i Dada Ravalomanana. Tsy matahotra fifidianana izany isika. Raha tsy mandray anjara amin’ny fifidianana isika, hoy izy, dia migalabona ny lalan’ny mpanongam-panjakana. Tsy maintsy miverina eto Madagasikara i Dada hoy izy fa fidio dokotera Robinson. Tsy nahafoy an’i Dada tanteraka moa ireo vahoaka na tao Mahabo, na tao Ankoazoabo Atsimo, ka dia nisy ireo latsa-dranomaso, raha vao nandre fotsiny ny feony. Hita fa tena tsy mbola levona ao am-pon’ny vahoaka ny zava-bitany tany amin’ireo faritra ireo. Marihina hatrany fa misy ny fanazavana ny mahakasika ny bileta tokana amin’ireny toerana rehetra hanaovana fampilezan-kevitra ireny ho an’ny kandida Robinson. Tao Ambahikily no namaranana ny hetsika omaly.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT