Dr Robinson Jean Louis

> “Mandresy isika, mody i Dada”


  • Alatsinainy 28 Oktobra 2013

Nafana ny fihaonana teo amin’ny kandidŕ Robinson Jean Louis, ny ankolafy Ravalomanana sy ny vahoaka tao Behoririka ny sabotsy teo. Vao vita tokoa ny fifidianana dia nidina nisaotra ny vahoaka ny kandida Robinson Jean Louis ka nisafidy ny kianja Magro Behoririka izy sy ny ankolafy Ravalomanana.

Niala tsiny kosa i Neny fa tsy afaka nidina teny an-kianja noho ny havizanana. Nampian’Andriamanitra isika, hoy ny Dokotera Favori, ka raha sanatria hisy ny fihodinana faharoa dia ho vonona isika ary ho vita ny tantara. Izany no isaorako ny vahoaka, natoky sy nino, indrindra fa ny vahoaka nitolona teto an-kianja nandritra ny efa-taona mahery. Isaorako koa ny namana rehetra, ny fianakaviana Marc Ravalomanana, ny Zanak’i Dada rehetra. Tsy hamitaka anareo vahoaka aho fa mino fotsiny ihany, hoy Radoko. Antsika indray ny lapan’Ambohitsorohitra sy Iavoloha, mandresy aho, mandresy isika, mody i Dada.

Notsiahivin’i Mamy Rakotoarivelo fa sarotra ny lalana nodiavina ary nandalovana fahakivina matetika ny vahoaka nefa afaka manambara isika izao fa nody ventiny ny rano nantsakaina, na dia izany aza dia tsy hanao valifaty isika. Isika koa tsy mpangala-bato fa vonona amin’ny fifidianana lalandava fa ho voalohany amin’ny fandresena. Fanamafisana sisa ny dingana faharoa ho an’ny dokotera, hoy izy, ary ny ankolafy dia hanohana azy 100%. Misokatra ho antsika izao ny lalana ho an’ny fandresena ary hifampidinika amin’ny CENI-T sy ny Governemanta isika mba hanitsiany ny lisi-pifidianana. Tena faly aho izao, hoy i Mamy Rakotoarivelo, ka aza matahotra mino fotsiny ihany, tsy mbola vita anefa ny ady fa mitohy.

 

RHR

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT